Nitrangana hai-trano tao amin’ny distrikan’I Vavatenina ny faran’ny herinandro teo. Trano fanitso no kila forehitra noho ity tranga hai-trano ity. Raha ny fanazavana voaray dia nahitana vola 04 tapitrisa ariary may kila forehitra tao anatiny, tahaka izany koa ireo entana rehetra tao anatiny. Ny olana ao Vavatenina ihany koa dia tsy fananan’izy ireo sampana mpamonjy voina sy hai-trano, ka sarotra ny famonjena rehefa tonga ny tranga na hai-trano tahaka izao. Ireo fokonolona no mifandrimbona mamonjy voina tahaka izao, soa ihany fa tsy nihitatra tamin’ireo trano manodidina ilay firehetana nitranga. Raha ny fanazavana azo dia resaka afo tsy maty tao an-trano no nahatonga ny firehetana raha tsy tao ny tompon-trano, fa na izany dia milaza ny hanokatra fanadiadiana ny mpitandro ny filaminana noho ity tranga na hai-trano ity, noho izy mampihaihay ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier