- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversDistrikan’ny Brickaville : Jiolahy mpangalatra vy saron’ny zandary

Distrikan’ny Brickaville : Jiolahy mpangalatra vy saron’ny zandary

Nanao ankiafinafina tao amin’ny orinasa SASM na Sirama teo aloha tao Maromamy Brickaville ny zandary sy ireo mpangalatra vy, ny alin’ny sabotsy nifona ny alahady teo tokony tamin’ny 01ora maraina tany ho any. Miseho noho ny fetsy ireto mpangalatra vy tao amin’ny SASM ireto, ka nampiharan’ny zandary Brickaville ny fahaiza-manaony raha tonga izy ireo noho ny antso azony. Na nandritra iny alina iny aza na nanao ny ankiafinafiny ireto mpangalatra vy, ny maraina alahady tamin’ny 10ora kosa no saron’ny zandary iray raha iny tsy nanampo iny, izay mbola niaraka tamin’ny vy nentiny telo gony be izao nentiny nitsoaka. Mbola tratra teny aminy koa ny pousse-pousse iray saika hitondrana ireo vy voahangona tao amin’ny orinasa SASM Maromamy nitsoaka. Raha voalaza moa dia ny mpiambina teo anivon’ny orinasa ihany no nampandre ireto zandary ny fisian’izany halatra vy ao anatin’ny orinasa izany; vao nahare izany koa ireto zandary ny Brickaville dia tonga avy hatrany, ary nanao ny tetika hanatrarana ireto mpangalatra vy izay miseho ho fetsy ireto. Avy hatrany dia nisy ny fikarohana ireto mpangalatra, ka nahatrarana ny iray niaraka tamin’ny vy nangalariny telo gony aloha, fa mbola mitohy ny fikarohana ireo namany izay mbola mandositra any anaty ala hatramin’izao. Tsy mandefitra amin’ny halatra ny zandary Brickaville ary tsy manaiky fangalarana vy tahaka izao fa tsy maintsy mihetsika izy ireo raha mahita sy mahare izany. Efa misy ny fakana am-bavany ity lehilahy mpangalatra vy tratra ity mba hamantarana ireo namany sy hanamora ny fisamborana azy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici