- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Qcstar : Dokambarotra fotsiny ihany no nalefa tao amin’ny Rnm sy...

Raharaha Qcstar : Dokambarotra fotsiny ihany no nalefa tao amin’ny Rnm sy Tvm

Tsy misy hidirany ary tsy mpiray petsapetsa tamin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Qcstar, ny onjam-peo sy ny fahatalavi-pirenena ! Izay raha fintinina ny fanambarana nalefan’ny Ortm, na ny sampandraharaha misahana ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena eto amintsika. « Tahaka ireo haino aman-jery tsy miankina manerana an’i Madagasikara nandefasan’izy ireo dokam-barotra dia nandefasan’izy ireo dokambarotra ihany koa ny ORTM. Tahaka ny orinasa na fikambanana na ivon-toerana rehetra manao dokam-barotra no nahatongavan’izy ireo teo anivon’ny Fitaleavana miandraikitra ny dokam-barotra », hoy ny voarakitra ao anatin’ny fanambarana avy eo anivon’ny serasera eo anivon’ny Ortm.

Raha tsiahivina dia voatonontonon’ireo olona lasibatra tao anatin’ity fisolokiana bevava ity ny TVM sy RNM. Araka ny filazan’ny iray tamin’izy ireo dia anisan’ny nandrisika azy hiditra amin’izany sehatra izany ny fahitana ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana, izay toa midika sy manamafy fa efa ara-dalàna sy ara-panjakana ny fijoroan’ilay rafitra. Io nitondra fanazavana io anefa ny teo anivon’ny Ortm fa tsy misy hidiran’izy ireo velively ny zava-niseho. « Vantany vao fantatra ny zava-doza nataon’ireo mpikarakara izany dia nampiato avy hatrany izany doka izany ny teo anivon’ny Ortm, na dia mbola misy dokambarotra voaloa vola aza tokony handeha », araka ny fanambarana nataon’izy ireo hatrany. Tsara marihana fa olona efa manodidina ny 200.000 isa any ho any no voasolokin’ity « plateforme » ao anatin’ny aterineto ity, izay nandimby an-dry « Antares » sy ny tariny ity. Nikatona ny faramparan’ny volana desambra lasa teo izany, nanatelina ny volan’ireto olona mpikambana. Ny andron’ny alarobia teo no nifampitaona tetsy amin’ny lapan’ny Fitsaràna tetsy Anosy ireto olona nahatsiaro ho voasoloky ireto, nilaza ny hitory ireo tompon’andraikitr’ity Qcstar ity eto Madagasikara. Ny teo anivon’ny Ortm ihany koa dia nilaza fa efa nifanome tanana tamin’ireo tompon’andraikitry ny famotorana misahana izany raharaha izany. « Efa nampitaina any ny mikasika ireo olona tonga nanao dokam-barotra, ny anarany, ny endrikendriny, ahafahana misambotra ireo nisoloky olona maro », hoy izy ireo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici