- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversDoris Rakoto Samuel : Roa taona sazy mihantona

Doris Rakoto Samuel : Roa taona sazy mihantona

Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika an’i Nambinina Ralaimampianina, mpikambana ao amin’ny Gasy Leo, sy i Doris Rakoto Samuel, vadin’i Mahery Lanto Manandafy. Sazy mitovy, roa taona sazy mihantona, no notononin’ny fitsaràna ho azy roa noho ny fitarihana olona an-dalambe kanefa tsy nahazoana alàlana. Mandritr’io fotoana io izany dia tsy mahazo miteny ary tsy mahazo manao fihetsiketsehana izy roa. Olona izay fantatra amin’ny fahasahiany sahy maneho hevitra sy manakiana ny tsy mety momba ny fitantanana ny firenena. Raha tsiahivina dia nanazava i Doris fa fifandrifian-javatra fotsiny ihany ny nifanenan’izy roa teny amin’ny 13 mai fa tsy nisy na inona na inona niarahanana nikarakara. Nidoboka am-ponja avy hatrany i Nambinina rehefa natolotra ny fampanoavana ary nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika tamin’ny fotoam-pitsaràna voalohany. Roa herinandro taty aoriana, afaka ihany saingy tsy afaka maneho hevitra intsony…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici