Vao miainga amin’ny lalan’Imerinkasinina dia efa feno maintimainty ny tontolo iainana. Miditra Ambohimalazabe indray dia efa may hatramin’ny eo amin’ny manodidina ny fasan’Andriatompokoindrindra. Ny fefy sisa no niaro izany tsy ho kilàn’ny afo. Omaly indray, teo Ambalahivato izay misy ny Sahomby, lohasaha misy loharano izay manana ny tantarany, nisy nandoro koa. Nikoropaka ny mponina satria saika may ny trano teo akaiky. Hatramin’ny zandary aza namono afo aloha izay vao nanokatra fanadihadiana. Potika ankehitriny ny zava-maitso sy ny ala eny an-toerana vokatry ny doro tanety misesy. Misy fanadihadiana miainga ataon’ny zandary nanomboka omaly.
D.R
Piste iray ho any zandary : ny fifohazana.