
Ny 29 jolay 2020 no voatendrin’ny Filohan’ny Repoblika ho Governoran’ny Faritra Analanjirofo ny Dr Randriamantena Marcellin. Roa taona katroka taty aoriana, maro ireo zava-bita, betsaka ireo fampandrosoana azo tsapain-tanana nentin’ity Governora ity tany amin’ireo kaominina tsirairay avy, mandrafitra ireo distrika enina ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Raha tsy hiteny afa-tsy ireo fotodrafitrasa marobe, toy ny lalana sy toho-drano, sns dia tsy nohadinoiny velively nandritra izay ihany koa ny fanampiana isan-karazany ireo vondron’olona ifotony sy ny sekoly.
Ny zoma lasa teo moa no nomarihina manokana izay faharoa taona nitantanany ny faritra Analanjirofo izay. Lanonana natao tao Fenoarivo Atsinanana, ary notronin’ireo olo-manan-kaja maro, notarihin’Atoa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sady Ministra mpiahy ny faritra Analanjirofo, niaraka tamin-dRtoa mpandrindra Nasionaly ny tetik’asan’ny Filohampirenena ary ireto tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny tao an-toerana. Tao anatin’izany no nanehoana ireo zava-bita sy ezaka rehetra natao ary ireo asa izay mbola hotanterahina ny taona 2022 – 2023. Nanditra ny fandraisan’Atoa Governora fitenanana moa no nisaorany manokana ny Filoham-pirenena tamin’ny fahatokisana napetrany. Tsy nohadinoiny ny nisaotra ireo rehetra tonga fa indrindra ireo mpiara-miasa niaraka namolavola ny fampandrosoana ny faritra hatramin’izay. Nanome toky ny tenany ary vonona hatrany ny hanohy ny hampandroso an’Analanjirofo, ary ny tanjona, hoy izy, dia mba ho lohalaharana amin’izany ny faritra araka ny teny filamatra hoe : « Ovy maniry tsy tam-bato ».
Nandritra io lanonana io ihany koa moa no nanolorany « moto cross » telo ho an’ny mpitandro filaminana ary « machine à ecrire » ho an’ny kaomina maromaro ao anatin’ny faritra. Fa tetsy andanin’izay, amin’ny maha raiamandreny azy dia mpianatra mendrika tamin’ireo fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc tamin’ireo distrika enina no notolorany fanomezana manokana.
m.L