- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversDREDD VAKINANKARATRA Nasiam-piovana ny fepetra takiana hakana zanakazo

DREDD VAKINANKARATRA Nasiam-piovana ny fepetra takiana hakana zanakazo

Nisy fiantraikany teo amin’ny fahazotoan’ny olona maka zanakazo  ny fenitra takiana hahazoana maka izany raha teto Vakinankaratra. Teo aloha mantsy dia tsy maintsy mitondra kara-tany na titre sy borne hanamarinana fa misy marina ilay tany  vao mahazo zana-kazo. Hialana amin’ny olana mety hiseho sy ireo mpisandoka ihany koa no anton’izany hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Ratefason Toditsara. Nasiam-panavaozana izany ankehitry ka taratasy avy amin’ny sefo fokontany misy ny fitombokase sy sonia manamarina ny fisian’ny tany sy ny tompony dia afaka hakana zana-kazo. Ankoatra izany toy ny mahazatra dia misy hatrany dingana tsy maintsy lalovana sy ny famenona ilay

Tsikaritra hoy hatrany ramatoa tale fa mbola vitsy ireo manana taratasin-tany ara dalàna avy amin’ny fananan-tany ka izany no antony iray nanisiam-panovana io fepetra takiana io.

Raha amin’ny 21 janoary izao no hisokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 dia efa efa nahavita izany kosa ny faritra Vakinankaratra tamin’ny 23 Desambra 2021, teo dia efa  nisokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy amin’ny fakana zana-kazo maimaim-poana  mitohy ary hatramin’izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici