- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversDredd Vakinankaratra : RSE vonona ny orinasa handray ny andraikiny

Dredd Vakinankaratra : RSE vonona ny orinasa handray ny andraikiny

Rtoa Tojotsara Ratefason, talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovanjafy eto Vakinankaratra.

Ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy no namolavola sy nametraka ny RSE na “Résponsabilité Societale de l’Entreprise” tamin’ny andron’ny minisitra teo aloha Baomihavotse Vahinala, mpiara-miombona antoka kosa ny MBG na ( Missouri Botanical Garden). Ny fitalevam-paritra  no manatontosa sy miandraikitra ary manataneraka ny drafitra apetraka mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa. An-tsitrapo fa tsy an-tery ity fandraisana andraikitra ara tontolo iainana sy ara tsosialy ataon’ny orinasa ity, hoy Tojotsara Ratefason, talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy eto Vakianankaratra.  Marihina  fa ny faritra Vakinankaratra no faritra  voalohany nanantateraka ny RSE raha eto amin’ny Nosy. Manan-danja kokoa ity drafitra ity raha toa ka mandray andraikitra tanteraka ny faritra tarihin’ny governora  amin’ny fanatanterahana azy.

Ny alakamisy 30 jona lasa teo no vita sonia ny RSE sy fametrahana ireo komitim-paritra ary ny “Plan d’action Regional”teto Vakinankaratra.

 Raha toa ka ara-dalàna tsara ny orinasa iray mitsangana dia efa misy ny “décret ministériel” fampiasan’ny orinasa rehetra.  Tsy maintsy maka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, « inona no mety voka dratsy  aterak’ilay orinasa sy ny vahaolana »? Tokony ho voasoratra anaty “cahier de charge environnemental »  izany fanontanina izany, hoy ny fanazavana.   Zava misy eto Antsirabe ary ohatra akaiky norasina  ny orinasa Cotona izay manary rano maloto ao amin’ny reniranon’i Sahatsiho mampitaraina ny mponina eny an-toerana, satria misy fiantraikany maro eo amin’ny fiaian’ny mponina indrindra fa ny tontolo iainana ny rano maloton’ny orinasa izay mivarina amin’io renirano io  nefa mbola tsy nahitana vahaolana. 

Zava-dehibe ny fametrahana ity rafitra ity, satria hivelatra amin’ny lafiny maro ny mety ho fandraisaina andraikitra hataon’ny orinasa iray na ara-tsosialy, na ara-pahasalamana na fandriam-pahelemana, indrindra fa ara-tontolo iainana. Tsy hijanona eto amin’ny renivohitry ny faritra ny RSE fa haparitaka manerana ireo distrika manodidina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici