- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversDREDD VAKINANKARATRA :  Zana-kazo 720.000  isa no hovelana manerana ny faritrra

DREDD VAKINANKARATRA :  Zana-kazo 720.000  isa no hovelana manerana ny faritrra

Herinandro izao no nisokofan’ny fizarana zana-kazo ho an’ny  faritra Vakinankaratra izay iandraketan’ny fitalevam-paritry ny tontolo iaianana sy fampandrosana lovain-jafy. Eny Tsaratanana sy ao amin’ny sampandraharaham-paritry  tontolo iainana no afahana maka ny zana-kazo.

Maimaim-poana ny fizarana fa saingy misy dingana tsy maintsy arahina ho an’ireo hangataka zana-kazo. isan’izany ny famenona ilay taratasy efa voatokana amin’izany, efa ho iray volana izao no nafahana mameno io taratasy io. Ankoatra izay dia tsy maintsy takiana ihany koa ny kaopian’ny fananan-tany na taratasy manamarina avy amin’ny fokontany fa tena misy tokoa ilay tany hambolena hazo.

Mahatratra 720.000 isa ny zana-kazo hovelena manerana ny faritra ny vakinakaratra hoy Rtoa Tojotsara Ratefason talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy eto Vakinankaratra.

Efa anatin’ny vanim-potoanan’ny rotsak’orana tanteraka ny faritra vakinankaritra amin’izao ka noho izany dia hisy ny fambolen-kazo lehibe izay hotanterihina ny faha 22 Desambra ho avy izao eny Antsampandrano kaominina Ambohibary. Azo hambara ho fanamarihana ny fiantombohan’ny fambolena zana-kazo ihany ity hetsika ity satria efa fotoany izao.

Velaran-tany 5 hektara no ezahina hovolena,ary hitondra zana-kazo vaovao ny fitaleavam-paritra amin’ity fambolena ity fa hajanona mihitsy aloha ny kesika.

Tsara ny manamarika maro ny karazana zana kazo maro samihafa no vokarin’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana, ary misy hatramin’ny zana-kazo fihinam-boa isan-karazany.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici