- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversDREN Itasy : Mandrahona ny hidina an-dalam-be ny mpampianatra

DREN Itasy : Mandrahona ny hidina an-dalam-be ny mpampianatra

Manome herinandro ny minisitry   ny Fanabeazam-pirenena ny « Fikambanan’ny Mpampianatra sahy mijoro » handraisana fepetra aminy zavatra mitranga any aminy DREN Itasy. Ireto mpampianatra ireto dia mitaraina noho ny fanangonam-bola tsy amin-drariny ary mihoa-pampana ataon’ny talem-paritry ny fanabeazana sy ny « chef Cisco » ao Miarinarivo. Ireo tompon’andraikitra ireo hoy ny fikambanana, dia mitaky vola amin’ny mpampianatra, ny ray aman-dreniny mpianatra ary aminy mpianatra hanatsarana ny toeram-pianarana, nefa hatreto dia tsy mbola misy zavatra vita araka izay nolazaina. An-tapitrisany maromaro hoy izy ireo ny vola efa narotsaka any amin’ny kaonty vao noforonina. Tsy misy ny mangarahara amin’ny fitantanana. Milaza noho izany ny “Fikambanan’ny mpimpianatra sahy mijoro” fa raha tsy misy vahaolana raisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ato ho ato, dia hidina an-dalam-be izy ireo. Marihina moa, fa niakatra teto Andrenivohitra mihitsy ireo mpampianatra ireo nilaza ny alahelon’izy ireo. Mitaraina koa moa izy ireo noho ny kiantranoantrano ataon’ireo tompon’andraikitra ireo amin’ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakana any Itasy.

  1. Eugène
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici