Nifampitaona teo anoloan’ny biraon’ny DREN ireo mpampiantra FRAM avy amin’ny distrika fito eto Vakinankaratra, naneho ny tsy fahafaliany sy nitaky ny tambin-karamy tsy voaloa hatry ny ela.
Tsy nisy namonjy ny asany, fa vao maraina ny alatsinainy lasa teo, dia efa nitangorona teo an-tokotanin’ny DREN ireo mpampianatra maro be, mpampianatra FRAM izy ireo nikasa ny hihaona amin’ny talem-paritry ny fanebezam-pirenena eto Vakinankaratra, saingy tsy nahatratra ity farany izy ireo. Teboka telo no takian’ireto mpampianatra FRAM ireto, efa nandalo teo anoloan’ny CISCO ihany ny raharaha, saingy tsy nahitam-bokany ny fitakiana, dia izao niakatra aty amin’ny DREN izao izahay hoy ny fanazavana. Fangatahana voalohany takian’ireto mpampianatra ireto, ny fandoavana ny tambin-karama na “vacation” tamin’ny fanadianana CEPE i taona 2014, araka ny fanazavana hatrany, dia ny sasany tamin’ireo mpampianatra efa nahazo fa maro no mbola tsy nahazo ary tsy fantatra ny antony tsy hanomezana ny rehetra, fa dia izao tsongatsongaina izao no fandoavana azy. Ankoatra izay, ny tambin-karama izay efa mahatratra am-bolana maro, tsy tambin-karama moa no hisokajian’ireo mpampianatra FRAM azy, fa tena vatan-karama mihitsy na dia kely aza nefa dia izao arirarira izao ny fandoavana azy. Araka ny antontanisa voaray moa raha ny ao Antsirabe II fotsiny, dia 130 ireo mpampianatra FRAM amina zap 4 mbola tsy nahazo io tambin-karamana io hatramin’ny taona 2015. Manaraka ny fitakiany ny zon’izy ireo, voalaza hatrany mantsy, fa misy ny tsindry sy ramatahora ataon’ny tomponandraikitra. Raha vao misy tsy mahafaly azy mantsy, dia ny famindra-toerana no mahazo ireo mpampianatra sasany. Toherin’ireo mpampianatra ireto noho izany io tsindry hazolena mianjady aminy io.
Fangatahan’ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra FRAM ANEFFA ireto ny handoavana ny karaman’izy ireo amin’ny alalan’ilay vola fanampiana ho an’ny sekoly n any SAE izany.
Andry N.