Manoloana ny resaka fakana an-keriny malaza amin’izao fotoana dia handray fepetra hentitra ny polisim-pirenena eto Vakinankaratra. Na tsy mbola tonga eto Antsirabe sy ny manodidina aza ity resaka fakana an-keriny ity dia tsy azo tsinotsiniavina ny zava misy satria efa hita porofo amin’ny tambanjotra serasera ny zava nisy tao Antananarivo renovihitra tao. Noho izany, hisy ny paikady hapetraky ny polisim-pirenen hisorohana ny mety hitrangan’ity eto Antsirabe hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Vakinankaratra Commissaire divisionnaire Rakotondraheliarivelo Mamiarisoa
Ho an’ny eto Antsirabe manokana dia hampitomboina ireo “police de proximité feminine” na polisy miahy ny olona osa sy ny ankizy hapetraka eny amin’ny sekoly satria tsikaritra fa miha mitombo ny isan’ireo sekoly eto Antsirabe.
Tsy zava baovao akory ny fanaovana fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana fa asa efa fanao izany saingy hoamafisina izany manomboka izao na andro na alina.
Ankaotra izay ho hentitra ny fanaraha maso sy fisavana ireo fiara amin’ny lalam-pirenena fahafito mandalo eto Antsirabe. Ho an’ireo fiaran’olo-tokana manana fitaratra miloko matroka na “vitre fumée” kosa dia hisy ny fisavana taratasy fahazoan-dalana mampiasa izany. Tsy hiatra avy hatrany akory ny sazy ho an’ireo tsy manana fahazoan-dalana fa hisy kosa ny fampitandremana sy toro lalana homena. Ireo fiara tsy afa manoatra fa “vitre fumée” hatrany amin’ny nanamboarana azy, isan’izany ny fiara vita koreanina izay maro no efa mampiasa azy, dia holeferina ihany saingy tsy maintsy manantona ny tompon’andraikitra mahefa kosa maka taratasy manamarina izany.
Andry N.