- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAntetezantona Toamasina suburbaine: Efa-dahy nagalatra vy, tratra ilay Tuc-Tuc sy ireo vy...

Antetezantona Toamasina suburbaine: Efa-dahy nagalatra vy, tratra ilay Tuc-Tuc sy ireo vy nangalarina nentin’izy ireo

Isany mirongatra eto Toamasina sy ny manodidina mihitsy ity halatra vy ity amin’izao fotoana, ka tsy mifidy mihitsy ireo mpangalatra fa rehefa vy dia manaitra azy ireo avokoa noho ny firongatra ireo mpividy izany. Raha ny zava-nisy ny alahady teo dia nisy olona efa-dahy niaraka tamin’ny Tuc-Tuc tonga tao Antetezatoana Toamasina suburbaine, tonga hangalatra vy izy ireo ary nanao ny nataony tokoa nandritra izany. Nisy nahatsikaritra izany ireo ka nifanenjehan’ny olona izy ireo, ka vao fantatra fa ho tratra izy ireo tamin’ny fifanenjehana natao dia najanony teo ilay Tuc-Tuc izay efa tsy afaka koa, ary mbola tao avokoa ireo vy avy nangalarina. Adino tao anatin’ilay Tuc-Tuc koa ny taratasy momba momba ilay mpamily, nefa ireo rehetra tao anatiny lasa nandositra avokoa noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Voatana teo ilay Tuc-Tuc ary natolotra ny zandary izay misahana ny raharaha niaraka tamin’ilay taratasin’ny mpamily. Eo am-pikarohana ity mpamily ity ny zandary amin’izao mba hamantarana ireo olona nanakarama azy nitaona izao vy halatra izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici