- Publicité -
jeudi, février 19, 2026
AccueilFaits-DiversJirama Toamasina : Efa manao ny ezaka rehetra amerenana ny jiro

Jirama Toamasina : Efa manao ny ezaka rehetra amerenana ny jiro

Na tapaka avonoa aza ireo andrinjiro sy tarobia mpitondra ny herinaratra teto Toamasina vokatry ny rivodoza farany teo iny, dia manao ny ezaka rehetra ny jirama amin’ny famerenana izany herinaratra izany amin’izao fotoana. Saika ireo mpitondra herinaratra « moyen tension (MT) » avokoa ireo nihitsana tamin’ny tany vokatra ilay rivodoza, ka efa misy ny fanarenana izany ankehitriny. Raha ny vaovao heno aza dia efa hisy ilany handeha tsy ho ela mikasika ny herinaratra vokatry ny fanarenana. Ny tena maika ho an’ny Jirama Toamasina izao dia ny famerenana ny tambanjotra D5 sy D2 miazo ny hopitaly eto Toamasina, eo koa ny fonja sy ny toby miaramila hanamora ny fanarahamaso ireo voafonja, ary ny manankeny amin’ny banky samy hafa sy ireo biraom-panjakana izay mitangorona eo amin’ny areban’ny fahaleovan-tena sy ny manodidina avy no misy azy ireo. Efa eo am-perinasa mafy mihintsy ireo mpiasan’ny Jirama ao anatin’izany, ka azo hinoana fa ny herinandro miandoa io efa mandeha avokoa izany vokatry ny ezaky ny mpiasa teknika tsirairay.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici