- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversMpandraharaha saika notafihina tetsy Ampitatafika : Efa narahina maso telo andro mialoha

Mpandraharaha saika notafihina tetsy Ampitatafika : Efa narahina maso telo andro mialoha

(…) efa nisy fianarana maty paika nataon’izy ireo tamin’izany… Telo andro no nianarany ny “information” momba anay, araka ny fiaikena heloka nataon’izy ireo”,  hoy ity mpandraharaha fantatry ny rehetra teo amin’ny sehatra momba ny teknolojia sy ny informatika ity, tao amin’ny pejiny.

Raha tsiahiviana sy araka ny lahatsoratra navoakany omaly dia roa lahy tamin’ireo andian-jiolahy no tratran’ny zandary sy ny fokonolona tetsy Ambodindavenona Ampitatafika. Ny talata lasa teo mantsy dia nikasa hanafika ny vadin’ity mpandraharaha ity izy ireo. Ireto saika lasibatra ireto dia fantatr’izy ireo fa mitondra volabe. Kanjo nandamoka ny teti-dratsin-dry zalahy ireto fa nisy nahatsikaritra ny mponina ary nampilaza avy hatrany ireo saika ho lasibatra sy ny mpitandro filaminana.

Izaho tsy dia mahalala ny ora hidiran’ny vadiko ny vavahadinay, kanefa ry zareo mahalala amin’ny antsipiriany ny lera tokony hidirany eo sy ny fombafombany”, hoy hatrany izy. Nambarany moa fa mamy hoditra tany amin’ny fiarahamonina izy ireo ka ireto farany no nampitandrina azy ireo avy hatrany ka tsy nahafahan’ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsiny. Voasambotra ny roa lahy ary niaiky ny heloka nataony teo anatrehan’ny zandary. Tafaporitsaka kosa ny namany sasany, izay efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo tompon’andraikitra. Naneho fisaorana ny rehetra ity mpandraharaha ity ary nilaza fa milamina tsara izy ireo. Nanatsidika kosa izy ary nampitandrina ny rehetra fa ny toe-javatra tahaka izao dia tsy tongatonga ho azy fa efa nisy fametrahana paikady sy teti-dratsy matotra tao. Izany hoe efa tambajotra iray mihitsy no miasa ao ambadika, raha ny filazany.

Mbola notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo ao amin’ny biraon’ny zandary ireto roa lahy ireto, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Tsiahivina fa ankoatra izay fiaiken-keloka izay dia mbola porofo azo itanana azy ireo ihany koa ny fitaovana samihafa hita tao anatin’ny kitapon’izy ireo, izay saika nentiny hanafika. Anisan’izany ny antsy lavalela sy ny « cagoule ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici