- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversEjeda : Faty feno diana antsy sy nodoroina

Ejeda : Faty feno diana antsy sy nodoroina

Lehilahy iray 24 taona no hita faty ny alahady lasa teo tao amin’ny fokontany Ambatovaky any Ejeda. Nahazo antso ny Kaomandin’ny Borigady tany an-toerana ka nidina nijery ny zava-nisy. Niaraka taminy tamin’izany moa ny ben’ny tanàna tao an-toerana ary ny dokotera hizaha ny razana.

Marihina fa faty rakotra dian’antsy sy nodoroina no novantanin’izy ireo tamin’izany ka hita soritra fa olona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity maty. Ny dokotera koa moa nizaha ny razana dia nanamafy ary nilaza efa novonoina indray andro mialoha ny fotoana nahitana azy  ny razana.

Efa mandeha ny famotorana amin’izao ka eo am-pikarohana izay nahavanon-doza tamin’izao raharaha izao, araka ny vaovao marim-pototra koa moa no nahafantarana fa miaramila taloha ity tovolahy maty ity.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser