Fiaraha-miasa avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahazoana izao vokatra izao ka tokony hotohizana. Ny 11 novambra lasa teo dia nahazo fanairana ny zandary avy ao amin’ny kaominina Ejeda any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana nanambara fa misy andian’olona manangona sokatra ao amin’ny fokontany Esifaka, faritra isan’ny arovana ao anatin’ity kaominina ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana « Madacasikara National Park » (MNP), izay misahana izany toerana izany mba hanamarina io vaovao io. Rehefa tonga tany izy ireo dia nahita 77 efa nangonina tamin’ny toerana iray. 48 tamin’ireo dia efa lehibe fa ny 29 kosa dia mbola zanany. Araka ny loharanom-baovao anefa dia tsy tratra tao an-toerana fa nandositra ny olona nitondra izany raha vao nahita ireo zandary sy ireo mpiasan’ny MNP. Nentina avy hatrany tany amin’ny borigadin’ ny zandary ao Ejeda ireo sokatra ireo mialoha ny hanolorana azy ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izao fangalarana ny harem-pirenena izao.
T.M.