- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-Divers“Embouteillage” eto an-dRenivohitra : Mirongatra tanteraka ny mpanendaka  anaty fiara

“Embouteillage” eto an-dRenivohitra : Mirongatra tanteraka ny mpanendaka  anaty fiara

Manao izay danin’ny kibony tokoa ireo tontakely amin’izao : na io mpanafika sy mpanendaka anaty fiara na io ireo mpanao sinto-mahery raha ireo fitarainana etsy sy eroa, miampy an’ireo filazàna miparitaka ao anaty tambajotra sosialy ao. Indrindra fa hoe nahita tokotany vaovao hilalaovana indray ry zareo amin’ity fitohanam-be manjaka eto an-dRenivohitra ity. Anosibe, Anosy, Analakely, 67ha, Antanimena, Ankorondrano, Anosivavaka sy ireo faritra maro samihafa. Ny eny amin’iny faritra Andotapaneka, Digue, Ampasika sy Itaosy iny moa dia efa tsy tenina intsony, raha vao mirotsaka monja ny alina. Tsy tahotra tsy henatra mihitsy mantsy ireo tontakely, izay manao andiany, eo amin’ny telo  ka hatramin’ny enin-dahy, mitondra fitaovam-piadiana mandrahona ireo mpitondra fiara tafahitsoka anaty fitohanana. Ny sasany indray dia manao amboletra fotsiny hamoha ny varavarana fotsiny izao, toy izay mitranga eny Anosibe eny. Mazava ho azy fa dia miady irery ilay mpitondra fiara amin’izany fotoana izany fa tsy misy sahy mamonjy izay mahita ka hany hery dia manome izay tadiavin’ireo olon-dratsy. Ry zalahy moa, raha vao mahavita ny asa ratsiny dia miala moramora toy ireny mpandeha tongotra miampita ny arabe ireny, tsy taitra tsy maika ary tsy matahotra an’iza n’iza. Ny mahagaga dia efa maro ireo mpitandro filaminana no miparitaka, mandamina fifamoivoizana no mitily ireny tontakely ireny, fa dia mbola mahita hirika ihany izy ireo. Angamba tokony asiam-piheverena haingana dia haingana izay fa mijaly ny vahoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici