Notontosaina ny talata 24 novambra 2020 teny amin’ny Ecole Nationale d’Administration de Madagascar na ENAM ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpiofana miisa 121 mianadahy tao amin’ny andiany fahatelo mitondra ny anarana « TSINJO » izay nanaraka ny cycle expertise. Izany anarana « TSINJO » izany dia notsoahin’izy ireo tamin’ny tarigetra napetrany toy izao : « Travailler Sérieusement pour l’intérêt de la Nation avec des Jeunes Organisés » Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, Jénéraly Jean Richard Rakotonirina izay Ray mpiahy ny andiany nivoaka ka nanome voninahitrra ny fotoana Ramatoa Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ,ny Asam-Panjakana ary ny Lalàna Sosialy Gisèle Ranampy izay mpiahy ny Sekoly sy ambasadaoron’i Inde miasa sy momina eto Madagasikara ry ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila. Telo sosona ny lanonana notanterahina izay nitsinjara toy izao : fanolorana mari-pahaizana « diplôme de hautes études en administration » ho an’ireo mpihofana nahafeno ny fepetra rehetra napetrakin’ny Sekoly ; famindrana ny Fanevan’ny Sekoly ho any amin’ny andiany fahaefatra zandrinyizay vao manomboka ny fihofanana; fanehoana ampahibe-maso takelam-pahatsiarovana ny andiany “TSINJO”. Tsiahivina fa ny 02 aprily 2019 no nanomboka ny fiofanana. Nandalo fifanintsanana an-tsoratra sy am-bava izy ireo talohan’ny nandraisana azy ireo. Raha toa ka 173 no nifaninana dia 139 no voaray ary 121 mianadahy no nahafeno ny fepetra rehetra hazahoana diplaoma. Mitsinjara sampana telo ny fihofanana izay mitsinjara toy izao : 48 no avy amin’ny sampam-piofanana “Administration financière” ; 46 avy amin’ny sampam-piofanana Admnistration publique” ; 27 kosa no avy amin’ny sampam-piofanana “Diplomatie et relations internationales ». Sivy folo isan-jato mahery tamin’ireo mpihofana no avy amin’ny fanjakana sy ny ratsamangaikany. Ny ambiny dia avy amin’ny sehatra tsy miankina Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, ray mpiahy, dia nampatsiahy ny tamberin’andraikitra takian’ny Firenena amin’ireto andiany nivoaka ireto izy.
T.M.