“Tsy mbola nahita fifaninana fidirana amin’ny sekoly ambony feno kolikoly be tahaka ny nitranga teo anivon’ny sekoly ambony mpanofana ireo mpandraharaha ny fonja ao Antetezambaro aho, tena efa niseho vahoaka mihitsy ny nafenina…” hoy ity ray aman-drenin’ny mpifaninana tamin’ny mpanao gazety. Finaninanana izay natao ny 28 – 29 – 30 septambra 2015. Vokany, maro tamin’ireo mpifaninana sy ray aman-drenin’izy ireo no nametraka fitoriana sy nitondra porofo teo anivon’ny Bianco.
Bemidina. Noho io fitoriana sy porofo nentin’ireo mpiadina sy ny ray aman-drenin’izy ireo teo anivon’ny Bianco Toamasina io dia nanao bemidina nanao ny fanadihadiana ifotony teo anivon’ity sekoly ambony mpanofana ny mpandraharaha ny fonja ity, ireo ekipa mpanao fanadihadian’ny Bianco Toamasina, araka ny angom-baovao natao. Tsiambaratelo moa ny fanadihadiana ataon’ity sampan-draharaha ity, ka tsy nisy ny fanazavana nentin’izy ireo mikasika ny hetsika ataony. Raha teo anivon’ireo mpifaninana sy ny ray aman-drenin’izy ireo kosa, dia nambaran’izy ireo fa manomboka amin’ny telo tapitrisa ariary hatramin’ny valo tapitrisa ariary izany, ho an’ny “agent” hatramin’ny “controleur”, ary mbola misy mivarotra efatra hetsy ariary ny laza adin’ny fifaninana.
Lisitra nisaritaka. Isan’ny nanamarina ny fisian’ny kolikoly avolenta, na teo ihany aza ny tandrametaka tamin’ny fikirakirana ny lisitry ny afaka, izay sambany nitranga teo anivon’ny fifaninana nidirana teo anivon’ny ENAP Antetezambaro Toamasina II, ny fisaritahan’ny lisitra tamin’ny fametrahana ny anarana sy ny laharana, ny samy anaran’ny mpifaninana ny volana janoary teo. Tsy fantatra intsony ny tena afa-panadinana na ireo laharana voalaza, na ireo anarana voasoratra, na ireo fanampin’anarana naranty. Noho izay dia mahita ny ray aman-drenin’ireo mpifaninana ireo fa ireo nanam-bola no afaka, fa ireo nandeha tamin’ny fahamarinana sy fahaizana kosa tsy hita. Manginy fotsiny ny fomba atao rehetra hanilihana ireo mba tafiditra amin’ny tetika rehetra, entina hampidirana ireo efa nandraisana vola amin’ny alalan’ilay lisitra fiandry, ka ireo marary lava no tena lasibatra.
Tsy mbola ao Toamasina ny talen’ny sekoly ENAP ao Antetezambaro Toamasina II, ka tsy afaka nandray ny mpanao gazety hakana ny heviny sy ny teniny. Misy rahateo koa ny fanadihadian’ny Bianco Toamasina eo anivon’ny sekoly, ka tsy afaka maneho hevitra izy ireo raha tsy vita izany.
Malala Didier