- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversENIAP Antsirabe : Napetraka ambany fanefa ireo mpiofana ho polisim-pirenena

ENIAP Antsirabe : Napetraka ambany fanefa ireo mpiofana ho polisim-pirenena

Fotoana iray lehibe tsy azo andalovana fotsiny amin’ny maha miaramila sy  manana ny hasiny lehibe ny fanolorana ambany fanefa ireo mpiofana ho polisim-pirenena. Tanterahina izany  aorian’ny sedra sy fiofanana fototra nandritra ny 45 andro niharetan’izy ireo ny mafy.

Tontosa ny 6 Oktobra lasa teo ny fanolora ambany fanefa ny andiany faha 29 misalotralotra ny anarana SANDRATRA halavaina amin’ny hoe “ succes-Abnégation-Neutralité-Discipline-Rigueur-Assiduité-Travail-Respect-Action.

Miisa 1220 mianadahy no noraisina hanatevin-daharana ny polisim-pirenena tamin’ity andiany ity ka 220 inspécteurs raha toa ka agent de police kosa ny ambiny 1000.  Nahazo ny naoty mihoatra ny 12/20 ny 1200 tamin’ireo mpiofana ireo izay napetraka teo ambany faneva, natao teo ambany fitarihan’ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de police Rakotondravelo Herilanto Iangotiana hy lanonana. 

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici