- Publicité -
vendredi, août 15, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha fanafihana fanakalozam-bola tao Toamasina : Enim-bolana am-ponja sazy miantona sy onitra...

Raharaha fanafihana fanakalozam-bola tao Toamasina : Enim-bolana am-ponja sazy miantona sy onitra 100.000 ariary no azon’ilay jiolahy

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay voalaza fa jiolahy tamin’ny fisamborana azy

Hagagana ny an’ireo olona niatrika ity fitsarana ny raharaha fanafihana nitranga tao Morafeno ny 24 jona teo, izay nitsarana ary nivoahan’ny didy teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny 06 aogositra teo, satria sazy enim-bolana am-ponja sazy miantona sy onitra 100. 000 ariary no azon’ilay jiolahy mpandroba nandritra izany.

Vao nivoaka ny didy dia avy hatrany nilaza ilay niharam-boina fa tsy hanaiky izany ka nampiakatra fitsarana ambony avy hatrany. Araka ny fifanazavana teo anivon’ny fitsarana ny raharaha dia ny 24 jona niharan’ny herisetra nataon’ity jiolahy ity tao anatin’ny kioska hanaovany fifanakalozam-bola tao Morafeno ity ramatoa mpitory sy ny zanany mbola kely tsy afa-misaraka aminy. Avy hatrany dia nokendainy sy nampiharany herisetra ilay ramatoa, ka ireo olona manodidina nahita ny raharaha no nanavotra avy sy nidaroka ity lehilahy antsoina hoe André izay saika maty raha tsy tonga ny mpitandron’ny filaminana.

Niaiky ny heloka vitany moa ingahy André nandritra ny fikarany fitsarana izao, saingy ny fiarovan-tenany nandritra izany kosa dia ny mbola tsy fahazoany na inona na inona, fa avy hatrany dia voadaroky ny fokonolo izy ary tsy nanaiky mora koa ilay ramatoa tao anatin’ilay kioska noravainy, ka latsaka hatramin’ny zazany mihintsy. Nandritra ny fitsarana vokatra izany dia onitra roa tapitrisa ariary no nangatahany tamin’ny fitsarana, nefa raha namoaka ny didy ny fitsarana ambaratonga voalohany mikasika ny raharaha dia onitra 100.000 ariary no nivoaka niampy ihany koa ny zany am-ponja am-ponja enim-bolana sazy miantona.

Taorian’io fivoahana didy io no nilazan’ireo fokonolona nahita ny raharaha fa tahaka izay nanaovana fitsaram-bahoaka ihany ity raharaha ity raha tahaka izao, izay no nahatonga an’ilay ramatoa niharam-boina nampiakatra fitsarana ambony tsy manaiky ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici