- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversENSOA : Kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra no hitantana ny sekoly

ENSOA : Kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra no hitantana ny sekoly

Tontosa ny alakamisy 23 may 2019 teo ny famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Rabotovao Emile, kaomandy teo eloha, sy ny Kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra, kaomady vovaon’ny ENSOA na Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitry ny tafika. Marihina fa ity sekoly ity no sekoly tokana mpanofana ho manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy. Mitondra aim-baovaoa ho an’ny fitantanana hatrany ny fifandimbiasan-toerana toy izao, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Théophile, lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny tafika Malagasy, nanatrika sy nanome voninahitra ny ny lanonana. Ankoatra izay, hanamafy ny fiovana nentin’ny kaomady teo aloha ny mpitanana vaovao amin’ ny fanatsarana sy fanitsiana  bebe kokoa ny fampiofanana. Mila manamboninahitra lefitra matanjaka sy mahavaly ny iraka ampanaovina azy ny firenena. Izany no atao mba hananan’ny firenena antoka ho amin’ny fandriampahalemana. Marihina fa ny kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra dia  nivoaka tao amin’ny andiany faha-22 tao amin’ny Sekoly manamboninahitra na ACMIL.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici