Mampihofana tanora ho lasa mpanambotra mofo (Boulangers) sy mpanao mofomamy ( patissiers) ny tanora eto Toamasina voafantina manokana ny ivotoerana “Epigasy” eo Tanamakoa. Hiarahan’ny ivon-toerana amin’ny fanjakana Suisse eto Madagasikara ny hetsika. Niisa 15 mianadahy, 08 tovovavy sy 07 tovolahy, ireo notolorana marim-pahaizana ny zoma teo teo anivon’ny ivon-toerana “Epigasy” tantanan’i Rtoa Marion Harimampianina. Nanambara ny solontenan’ny masohivoho Suisse eto Madagasikara fa “tsy mora ny asa ho ataonareo tanora, fa mila ezaka sy fahalalana isan’andro izay mba hiatoka fampandrosoana ho anareo”. Nanambara kosa ny solontenany talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampihofanana arakasa Toamasina fa “olona mahay raha tsy mba very mandeha izany” ka namporisika ireto tanora hanamafy hatrany ny fahaiza-manao izy ireo. Efa manomana ny fidirana manaraka indray ny ivon-toerana amin’ireo tanora 13 mianadahy tsy ho ela. Satria ny hananan’ny tanora asa sy fahaiza-manao ary ho antoky ny fampandrosoana ny tanjona, hoy Rtoa Marion Harimampianina talen’ny ivon-toerana. Niatrika izay ny ray aman-drenin’ireto tanora navoaka, ary nandritra izany no nahalalana fa vonona koa ireo andiany manaraka ho vonona ho tsara kokoa noho ireo zokiny.
Malala Didier