- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversEpp 1904 Tanambao II : Notokanana ny fanarenana ny sekoly…

Epp 1904 Tanambao II : Notokanana ny fanarenana ny sekoly…

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny fanarenana ny sekoly Epp 1904 ao Tanambao II Toamasina. Niara-niasa tamin’izany ny firaisan-kinan’ny banky BOA notarihan’ny filohany Rtoa Sidika Akbaraly. Nomarihan’ity filohan’ny fiaraha-miasan’ny BOA fa isan’ny tafiditra tamin’ny fandaharan’asan’ny orinasa tamin’ny fiadohan’ny taona ny fanarenana ny sekoly Epp 1904 Tanambao II. Tafiditra tamin’izany koa ny fametrahana ivo-toerana fanaovana vakisiny iarahana miasa amin’ny Unicef sy Oms ; izay no nahatonga ireo zaza efatra nametrahana fanamafisam-peo amin’ny sofina any Maroc nalefan’ny orinasa BOA. Fantatra ihany koa araka ny voalazan’ny filohan’ny firaisan-kinan’ny BOA, fa nanomboka ny taona nitsanganan’izany ny taona 2019 dia miisa 15 ny Epp fa nahazo fanampiana taminy, raha 105 ny efitran-tsekoly ka 16.000 ny mpianatra nahazo tombotsoa. Ny fanazavan’ny talen’ny sekoly Epp 1904 Tanambao II, fa vehivavy avokoa ny mpanabe ao aminy izay miisa 19 miaraka amin’ny talen’ny sekoly ; miisa 560 ny mpianatra ao aminy izay 271 ny vavy raha 289 ny lahy ; ary nahatratra 63% ny taha-pahafahana fanadinana tamin’ny CEPE tamin’ity taona 2023. Ankilan’izany dia ankalaza ny faha-120 taona ny sekoly ny taona ho avy 2024, ary tafiditra tamin’ny fanarenana ny sekoly ny faharatsiany sy ny fahaelany satria nanomboka tamin’ny fahavitany ny volana jona 1904 dia izao vao nahitana fanarenana ny sekoly. Fantatra ihany koa fa nahazo fanampiana tamin’ny BOA koa ny ivo-toerana mpitaiza zaza kamboty masimbavy Madeleine eny Tanamakoa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici