
Sambany hatramin’ny naha sekoly azy ny EPP Ampahatrimaha, ao amin’ny kaominina Mandritsara, distrikan’i Betafo, no nisy fanamarihana ny taona nisiany. Nanamarika ny faha-15 taonany mantsy ny sekoly ny volana jona lasa teo. Tsangambaton’ny sekoly ny fanavaozana tantareka ny efitrano fianarana na ivelany izany na anatiny. Ny orinasa Artic no niantoka ny lany rehetra, ny ray aman-drenin’ny mpianakatra no nanatanteraka ny asa na teo amin’ny fandokoana izany na fanamboarana. Tsy voatery ny vahiny ihany no afaka manampy, hoy ny talen’ny Artic Andriamanalina Zaka Barijaona, fa isika samy Malagasy dia afaka manao izany. Ny kely ananana no atolotra, hoy izy, fa tsy ho voageja hiandry fanampiana avy any ivelany foana vao afaka manao zavatra. Raha tiana handroso ny Malagasy, hoy hatrany ny talen’ny orinasa, dia ny zaza no jerena eo amin’ny lafiny fanabezana. Marihina fa miisa enina ny efitrano fianarana, ahitana mpianatra 150 sy mpampianatra dimy.
Andry N.