- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversErnest sy Brada : Jiolahy roa tafatsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy

Ernest sy Brada : Jiolahy roa tafatsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy

Ranary Eddy Brada sy Francisco Ernest. Ireo ny anaran’ny gadra roa izay tafatsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy ny zoma lasa teo. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, raha nasaina nanao andrana kodiaran-droa an’ny mpiandry fonja iray vao avy namboarina izy ireo, tany dia tsy hita. Teo vao nikorapaka ary natao ny fikarohana rehetra ka ny moto no hita narian’izy ireo. Ireo roalahy ireo dia efa voatsara ary mbola eo am-pamitàna sazy noho ny fanafihana mitam-piadiana sy halatra moto. Mahay manamboatra kodiaran-droa izy ireo ary lasa mpanao ny an’ny mpiandry fonja izay simba. Nanomboka nomena fitokisana kanefa iny no nohararaotin’ireo gadra nitsoahana an’Ambalatavoahangy. Tandrevaka avy amin’ny mpiandry fonja izay ahiana hiteraka tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina indray raha tsy ho voasambotra faran’izay haingana ireo olona ireo. Re fa ny asabotsy alina dia nisy olona voatifitry ny jiolahy tao Toamasina. Asa anefa raha efa dian-tànan’i Ernest sy Brada sahady izany. Naparitaka faran’izay haingana ny sarin’izy ireo ary mbola mitohy ny fikarohana sy savahao hatramin’ny omaly.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici