- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Esplanade » Analakely : Mpiambina « parking » mpiray tsikombakomba amin’ny...

« Esplanade » Analakely : Mpiambina « parking » mpiray tsikombakomba amin’ny mpanendaka

Anisan’ny faritra iray tsy mety voafehy mihitsy amin’ny resaka fanendahana raha eny amin’iny « esplanade » Analakely iny, araka ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny boriborintany voalohany. Ny antony dia tsotra angamba, araka ny fahitan’ny besinimaro azy, satria saika mpiray tsikombakomba amin’ireo tontakely avokoa ny ankabeazan’ireo olona eny amin’ny manodidina. Nanamarina izany indrindra ny fahatratraran’ny pôlisin’ny boriborintany voalohany olona miisa valo teny an-toerana, izay tontakely avokoa, ny alakamisy lasa teo. Araka ny tatitra azo hatrany dia mpiambina « parking » eny an-toerana ny sasany amin’izy ireo. Mpivaro-damba tsy lavitra teo no fantatra fa isan’ny vadin’ny jiolahy eny an-toerana.

Raha ny loharanom-baovao hatrany dia niainga tamin’ny fitoriana olona iray very finday avo lenta tao anatin’ny fiarany ny fanadihadiana rehetra. « Araka ny fanambarana nataon’ny mpitory dia ireo mpiambina « parking » teo akaiky teo ihany no nahavita nanao izao asa ratsy izao ». Nampanantsoina  araka izany ireo mpiambina « parking » teo amin’ny « esplanade ». Miisa telo izy ireo. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nilazàny tamin’ireo mpitandro filaminana fa misy mpivaro-damba tsy lavitra teo, vadina tontakely. Nentina nohadihadiana avy hatrany ity farany ka izy io indray avy eo no nanoro ny toerana nisy ity olona miaraka aminy ity, teny amin’iny faritra Tanjombato iny. « Efa nahazo loharanom-baovao ihany koa anefa ny Polisy mikasika ity mpangalatra ity satria efa isan’ireo ikohizana amin’ny resaka fangalarana sy sinto-mahery eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny izy ary efa mampikaikaika ireo olona mipetraka eny ». Afak’omaly no nanaovan’ny pôlisy bemidina teny Tanjombato ity lehilahy voalaza fa mpanendaka raindahiny ity ary nosamborina. Taorian’ny famotorana natao azy indray no nanoroany ireo namany hafa isan’ny mpanao asa ratsy eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny, izay monina eny amin’ny IVO Isotry. Nilaza ihany koa izy fa hoe « niray tsikombakomba taminy ireo mpiambina « parking » ireo ». Tamin’ny fidinan’ireo pôlisy teny Isotry indray dia zavatra hafa mihitsy no hitan’izy ireo tao, satria dia fantatra fa toerana fivarotana rongony ilay trano. Mbola nisy mpividy rongony tratra aza tao an-toerana. Tsy vitan’ny jiolahy araka izany ity farany fa mbola mpibizina rongony ihany koa. Voalaza moa, araka ny tatitra azo hatrany fa tafaporitsaka izy raha teo am-pisamborana azy ny pôlisy. Tao anatin’ity raharaha iray ity, araka izany, dia tafakatra valo ny isan’ny olona nosamborina, ka tao anatin’izany ireo mpiambina toeram-piantsonana sy ireo mpifoka rongony, izay atolotra eny anivon’ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay tontakely tafatsoaka, raha ny fantatra hatrany. Heverina araka izany fa mba hilamindamina amin’izay iny faritry ny « esplanade » iny taorian’izao vokatra azon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici