Lasa avokoa ny entana rehetra teny aminy. Isan’izany ny fakan-tsary, ny finday ary hatramin’ny paoketra nisy ny taratasiny rehetra aza dia lasa avokoa. Ny zoma teo no nitranga izany teo amin’ny « Esplanade » etsy Analakely, tokony ho tamin’ny roa ora antoandro. Izany hoe amin’ny ora be mpandalo eo an-toerana ary amin’ny andro antoandro be nanahary rahateo. Kivy ratsy ilay vahiny, izay sady very entana sarobidy no tsy maintsy mbola hanamboatra taratasy indray koa izany vao ho tafaverina any aminy. Miasa eo anivon’ireny Ong iraisam-pirenena izy ary nandalo teto an-drenivohitra noho ny asany. Ilaina ihany ny fampahatsiahivan’ny mpisehatra eo anivon’ny fizahan-tany ireo vahiny – isan’izany ny « agence de voyage » sy ny « guide tourisitique » koa – fa faritra mena amin’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Amin’izay dia mba mailo ireo vahiny ka tsy mitondra zavatra mety hanintona ny mpanendaka…
D.R