Araka ny tatitry ny sampan’ny CCO teny Ivato ny 30 may teo, dia sitrana ara-dalana ny SE Mgr Randriamamonjy Marcellin 57 taona Evekan’i Fenerivo Atsinanana izay hita tamin’ny fitiliana natao taminy fa niabo ny coronavirus ny tenany. Raha ny tantara dia ny 07 avrily lasa teo nisy tranga roa niabo tao Fenerivo Atsinanana, ka ity Evekan’i Fenerivo Atsinanana ity ny iray sy ilay teratany vahiny hafa tamin’izany no hita fa niabo. Samy avy any ivelany tonga tamin’ilay sidina farany izy ireo tamin’izany, ka avy Italie namita iraka ny Eveka . Efa nanao fihibohana tao Antananarivo ihany izy ireo tamin’ny fahatongavany ary miiba foana tamin’izany. Taty aoriana anefa dia niverina tao Fenerivo Atsinanana misy ny foiben’ny Diosezy ny Eveka, ny fahatongavany tao Fenerivo Atsinanana izay mbola nanohizana ny fanaraha-maso azy no hita fa niabo tampoka izy, ka nisy ny fandraisana an-tànana azy tao anivon’ny toeram-pitsaboana misahana ny olona voan’ny coronavirus sahanin’ny sampan’ny CCO Fenerivo Atsinanana ny tenany. Ankoatra ireo fanafody hafa nampiasaina taminy, dia isany nisotro ilay Covid Organics voalaza fiarovana sy fitsaboana ny Coronavirus ny tenany, ary araka ny filazan’ny Evekan’i Fenerivo Atsinanana azy SE Mgr Randriamamonjy Marcellin isany nijoroany vavolombelona mivantana sy nekeny an-tsitra-po ny nakana feony sy sariny, dia nahatsara ny fahasalamany sy niteraka izao fahasitranany tamin’ny valanaretina Covid-19 ny fisotroany io CVO io. Teo koa ilay teratany vahiny Suisse hita niabo niaraka taminy ny 07 avrily io. Ankehitriny araka ny fitiliana natao farany taminy dia sitrana soa amantsara ny izy ka nandray ny taratasy milaza ny fahasitranany tamin’ny alakamisy 30 avrily teo tao amin’ny biraon’ny Diosezin’i Fenerivo Atsinanana misy ny fonenany ny SE Mgr Randriamamonjy Marcellin, ka ireo ekipan’ny CCO Fenerivo Atsinanana notarihan’ny talen’ny fahasalamana Analanjirofo no nanatitra izany tamin’ny Eveka.
Malala Didier