- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFacebook : « Challenge mandoro vola », nidoboka am-ponja ilay tovovavy

Facebook : « Challenge mandoro vola », nidoboka am-ponja ilay tovovavy

Tsy handefitra ary hatao hazalambo, izay mbola minia manao ity fandikan-dalàna ity, hoy ny teo anivon’ny zandary. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay tovovavy iray, nanao « challenge mandoro vola » tao anaty tambajotra sosialy, rehefa avy nofotorana teny anivon’ny tobim-paritra ny zandary tao Antalaha, taorian’ny fisamborana azy. Taorian’ny fanapahan-kevitra nataon’ireo mpitsara mpanao famotorana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao Antalaha ny tovovavy, mandram-piandry ny fotoana hitsaràna azy. Karazan’ny famaizana ny amin’ny tsy hamerenany intsony izany fandikan-dalàna izany. Tiana ny manamarika, hoy hatrany ny teo anivon’ny zandary fa voarara ny lalàna manankery eto amintsika ny minia manimba na mandoro vola, araka ny fehezan-dalàna mirakitra ny satan’ny vola, voalazan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Manamafy izany ihany koa ny ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, ao amin’ny andininy faha-439. Voalazan’ity andinin-dalàna ity fa fandoràna na fanimbàna vola, niniana natao dia mahavoasazy ary mampiditra an-tranomaizina dimy ka hatramin’ny folo taona. Manampy azy ireo, ahafahana manenjika ity tovovavy ity ihany koa ny andininy faha-8 ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny serasera.

Tsiahivina fa taorian’ny fiparitahan’ny horonantsary tao anaty tambajotra sosialy, naneho ity tovovavy ity nandoro vola izay, dia nandray ny andraikitra tandrify avy hatrany ny zandary ary niroso tamin’ny fanadihadiana hikarohana azy. Voasambotra tao Ambodifamba, any amin’ny distrikan’Andapa ilay tovovavy. Marihana fa karazana toy ireo « fifaninana kely » na « challenge » malaza ao anaty tambajotra sosialy no nandraisan’ity tovovavy izany zavatra izany, mba entina ahazoana laza fotsiny, kanefa dia izao nampiditra atambo azy izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici