- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFacebook : Misy misandoka ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena

Facebook : Misy misandoka ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena

Tsy tompon’antoka amin’izay mety ho vaovao sy tsaho haelin’ilay pejy sandoka ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Isan’ny nisongadina tamin’ny fampitam-baovao nataon’ity minisitera ity izany omaly, manoloana ny fisian’ny pejy sandoka sy kaonty sandoka (compte fake) izay mitondra ny anarany ao anatin’ny tambajotra sosialy facebook. « Raha misy tsy fahatomombanana na korontana ateraky ny fanaparihana ny zava-miseho mikasika ny Foloalindahy amin’ity pejy ity dia tsy tompon’andrikitra ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny eo anivon’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy »,araka ny fampitam-baovao ofisialy hatrany. Nisy ny fanentanana ny mpampiasa ity tambajotran-tserasera izay be mpampiasa ity eto Madagasikara mba ho mailo hatrany amin’ny fampiasana azy ary koa hanao sivana an’ireo vaovao mifamezivezy ao anatin’izany. Efa misy ny fanadihadiana misokatra ary miompana amin’izay mety ho tompon’andraikitr’ilay pejy sandoka izay mitondra ny anarana « Forces Armées Malagasy ». Be loatra ny endrika ratsy voizina ao anatin’ny facebook ankehitriny ary mandeha hatrany ny saka sy voalavo eo amin’ny mpiadidy ny cybercrimalité sy ny mpanakorontana. Tranga izay tsy azo ihodivirana anefa izany amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao. Isan-kerinandro dia saika misy hatrany ny fitsaràna mahakasika cybercriminalité ao Anosy ary betsaka ny miditra am-ponja vonjimaika. Faizin’ny mpahay lalàna hatrany satria manimba olona na andrim-panjakana matetika no tena tanjon’ireo mpanao kaonty « fake ».

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici