
Ela nitoratorahana ity tovolahy iray, olon-dratsy miafina ambadiky ny « compte fake » ao amin’ny tambajotra sosialy « Facebook », ka voasambotry ny pôlisy ihany. Efa maromaro ireo olona lasibatr’ity tovolahy ity, ary saika vehivavy avokoa izy ireo.
« Tojovalera » na « Rado Rafetrason » na i « Jerry Jerry Jerry ». Ireo no anarana entin’ity olon-dratsy ity amin’ny tambajotra sosialy entiny hanjonoana ireo olona ataony lasibatra. Teny amin’iny faritra Ankadikely Ilafy iny no fantatra fa voasambotry ny pôlisy misahana ny « cybercriminalité » ny alatsinainy lasa teo izy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia sady endahin’ingahirainy ireo olona voajonony anaty FB ary tsy vitan’izay fa raha vehivavy dia iharan’ny fanolànana sy voarahona ho faty. « Manana kaonty facebook maromaro ity tovolahy ity ary sarin-dehilahy mihaja tsara tarehy ranjanana izay alainy any anaty kaonty « facebook » fananan’olona no entiny manjono ireo tovovavy na vehivavy kendreny. Resaka fitiavana na resaka fiaraha-miasa no entiny handresena lahatra azy ireny ary rehefa mipetraka ny fifampitokisana dia mangataka fihaonana izy, ka rehefa tonga io fotoana izay tokony hihaonana io dia milaza ho tsy afaka amin’ny ora farany izy ka ny mpanampiny no alefany ». Mazava ho azy fa maro ireo vehivavy tafaroboka ary rehefa mihaona amin’izay dia asehony ny mahabiby sy olon-dratsy azy. « Toerana mangingiana no itarihany lalana azy ireo ary dia miafara amin’ny fanendahana sy fanolanana hatrany izany », hoy hatrany ny vaovao. Voalaza fa efa ela ihany ity tovolahy ity no efa nokarohin’ireo mpitandro filaminana fatratra, saingy izao izany vao tratra. Araka izany, efa maro dia maro ireo olona voany. « Miisa efatra no fantatra fa efa niharan’ny asa ratsy ka tonga nametraka fitoriana. Mbola misy vehivavy hafa ihany koa niharan’izao herisetra sy fanolanana izao, saingy mbola tsy nametraka fitoriana izy ireny ». Asaina araka izany, izy ireny ho tonga eny amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny « cybercriminalité » eny Anosy, mba ho tonga hametraka ny fitoriany, tsy amin’ny ahiahy intsony. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity olon-dratsy rain-dahiny ity ary heverina fa efa nadoboka am-ponja vonjimaika.
m.L