- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFacebook : Mpisintona lakolosy fanairana karohina

Facebook : Mpisintona lakolosy fanairana karohina

Fanta-daza izy eo anivon’ny tambajotra sosialy. Sady mpamaky bantsilana ny tsy mety no mpankasitraka ny mety koa. Omaly dia nivezivezy teny amin’ny trano fonenany ny mpitandro ny filaminana nitady azy. Tsy hita anefa izay nalehany ary dia nody maina. Ny antony hikarohana azy kosa dia tsy mbola nisy ny fanazavana mazava mahakasika izany. Na izany aza anefa dia azo tombanana ihany fa ny fandefasany dosie maromaro tamin’ny kaontiny mba ho hitan’ny mpanaraka azy no mety ho anton’ity raharaha ity. Izany, ary hitan’ny besinimaro, dia mahakasika ny votoatin’ny tombana fandaniana momba ny fanamboarana fotodrafitrasa. Naboridan’ilay mpisintona lakolosy ny tombana mihoampampana ary miendrika halatra. Hatreto, raha ampifandraisina ny zava-misy, dia mety ho io no nanelingelina ka nitarika izay mety ho fisamborana. Na ny tranon’ilay olona teto an-drenivohitra, na ny tany amin’ny faritra dia narahi-maso avokoa omaly. Izy kosa hatramin’ny omaly dia tsy hita izay misy azy. Tsiahivina fa hatreto dia tsy misy ny lalàna manokana mahakasika ny asan’ny mpisintona lakolosy fanairana eto amintsika. Miady irery hatrany izy ireny rehefa misy ny fitoriana ary efa betsaka ny nidoboka am-ponja.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici