Vola mitentina fito hetsy ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy, niampy ny finday avo lenta sy lafo vidy, ny solosaina tao an-trano sy entana maro samihafa. Sendra ny patsa iray tsy omby vava ity tovolahy iray nihevitra ny hahazaka sipa « tsara tarehy » tao anaty Facebook. Nifamadika ambony ambany mantsy ny resaka rehefa nisy ny fihaonana mivantana, satria lasa voarahona ho nanodinkodina zaza tsy ampy taona ny anao lahy ka nampandoavin’ny « anadahin-jaza » vola be ary tapitra nalainy ireo fananana lafo vidy.
Efa tokotany iray lehibe filalaovan’ireo mpisoloky indray ny tambazotra sosialy amin’izao. Indrindra moa fa hoe mety ho tsy tena anarana sy tena sarin’ny tena no ampiasaina. Toy izany no nahazo ity tovolahy iray, izay nahita ny sarin’ity « sipa tsara tarehy » tao anaty FB. Nanomboka nampiresaka sy nifanerasera ara-tsolosaina ary tonga hatrany amin’ny fifampitoriana fitiavana ampitain-davitra. Taorian’io, dia tapa-kevitra fa hoe hihaona mivantana amin’izay ary tohizana ho « tena izy ilay fitia ». Tamin’ny fotoana nihaonana anefa dia nilaza ilay « ikalavavy » fa tsy afaka tampoka fa ny anadahiny no hitsena an’ilay tovolahy. Tonga tamin’ny fotoana nifanomezana « ranadahy ». Nony tonga tany an-tranon’ity farany amin’izay anefa no nivadika ny resaka. Ilay tovovavy notoriana fitiavana tsy hita tabilao, fa i ranadahy no nitondra ny baolina ary nanomboka nandrahona an’ilay tovolahy. Voalaza teo fa tsy ampy taona io ilay anabaviny adalain’ilay tovolahy ary zanaka mpitsara. Nanomboka teo ny fanendahana « mihaja » satria nalain-dranadahy an-keriny ny finday avo lenta teny amin’ilay tovolahy. Tsy vitan’izay, fa mbola nasaina naka vola fito hetsy ariary tany amin’ny banky ihany ingahirainy ary mbola nalaina ihany koa ny solosainy tany an-tranony. Nametraka fitoriana avy hatrany moa ilay tovolahy ary nosamborina « ranadahy ». Tamin’ny fisavana ny tranon’ity farany, dia mbola hita tao ilay solosaina sy ilay finday ary entana hafa nalaina an-keriny. Vola efatra hetsy ariary teo ho eo kosa sisa no ambin’ilay fito hetsy ariary nangalarina. Efa naverina tamin’ny tompony avokoa moa ireo entana. Ilay lehilahy « anadahin-jaza » (raha tena hisy ilay anabaviny?) kosa efa nanaovana famotorana ary inoana fa tsy maintsy nadoboka am-ponja vonjimaika.
m.L