- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFacebook : Nisy voasoloky, very volabe

Facebook : Nisy voasoloky, very volabe

Tafiditra ao anatin’ny kaontin’ny olona iray izay mampiasa facebook ilay mpisandoka. Fantany ny olona izay mifandray matetika amin’io ary dia eo no velariny ny fandrika. Mamorona lainga izy ary mindrana vola amin’ilay olona. Roboka tokoa io farany satria tena namany akaiky. Fantatra ihany anefa taty aoriana fa mpisandoka no nampiasa ilay tambajotra sosialy. Nisy ny fitoriana izay nipetraka tao Tsaralalàna ary nanomboka teo no nanaovana vela-pandrika ilay mpisoloky izay voasambotra ihany. Efa tafakatra 30 tapitrisa ariary ny vola azon’ilay olon-dratsy nandritra ny roa taona nifaneraserany tamin’ilay olona. Milaza izy fa marary ary indraindray aza dia mahavita mamorona fahoriana mihitsy. Natolotra ny fampanoavana omaly ary nidoboka am-ponja eny Antanimora ilay mpisandoka amin’ny facebook.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici