- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-Divers« Facebook » : Tena ampiasain’ny mpanolana

« Facebook » : Tena ampiasain’ny mpanolana

Voafitaka tanteraka. Nijery ny tambajotram-piarahamonina “facebook” mba hitadiavana asa. Nahita tokoa ary tena nanaraka am-bokony izay nolazain’ilay olona nifaresasera taminy momba io asa io. Isan’izany ny fanaovana fotoana mba hanaovana ny « entretien » sy izay rehetra mety hilaina mba hahafahana manadina ilay tovovavy. Tonga tokoa io farany ary efa nanao metimety mba hahazoana ny asa. Teo vao gaga raha nahita ireo lehilahy tsy latsaky ny fito indray niandry azy tao amin’ilay toerana nifanomezana fotoana, ary indrindra koa, tsy karazan’olona izay tompon’orinasa na koa mitovitovy amin’izany fa kosa jiolahim-boto tanteraka. Soa ihany fa mba natosiky ny vintana io tovovavy io ka mba sendra niaraka taminy ny namany roa hafa tamin’ilay fotoana. Ireo no tafatsoaka avy hatrany raha nahita ireo jiolahim-boto izay efa niomana fatratra ny handray ilay « mpitady asa ». Tafaporitsaka daholo ihany izy telo vavy satria mbola samy tsy nisy tafiditra tanteraka tao anatin’ilay efitrano. Ireo jiolahy koa vao nahita fa tsy tontosa ilay kinasa dia rifatra niala tao amin’ilay toerana. Afa-doza izany ilay tovovavy sy ny namany fa kosa ny olon-kafa maro izay mampiasa ny tambajotram-piarahamonina ka tsy mandanjalanja tsara ny fampiasana izany dia ahiana hiharan’ny fikasan-dratsin’ny olona sasany, indrindra ireo mpanolana. Vao tamin’ny herinandro teo koa tany Toamasina no nisy niharan’ny tranga toa izao ary mitovy tanteraka ny fisehoan’ny raharaha. Raha ny fihevitry ny olona izay malina hatrany amin’ny fampiasana itony tambajotra itony dia tokony farafaharatsiny mba misy sary maro ahafantarana azy ny olona iray  ifaneraserana ary naman’ny namana hafa, izao vao hiresahana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici