Voatery nandoa vola noho ny fandrahonan’ilay tovolahy mpiresaka taminy, raha tsy izany dia haparitak’io farany ny sariny miboridana. Ramatoa vadin’olona no niharan’izany. Raha araka ny fantatra dia niresadresaka tao anaty anaty tambajotra sosialy facebook no nifankahalalany tamin’ilay tovolahy. Lasa nifanadala sy nifampikaoty izy ireo rehefa elaela niserasera tao. Nisy fotoana dia nangatahin’ilay tovolahy sary ramatoa. Diboky ny hafaliana no sady tsy nahatan-damba satria « nahazaka tanora » dia nandefa izany tokoa. Tonga hatramin’ny sary miboridana aza no lasa tany. Tsy fantany anefa fa fitaka bevava izany ary fandrika napetrak’ilay tovolahy. Norahonan’io farany, araka izay voalaza etsy ambony, i madama fa hozarainy amin’ny namany rehetra ao anatin’ny tambajotra sosialy ilay sary raha tsy manome vola ramatoa. Teo vao raiki-tahotra sy tsemboka. Sady ho very vady mantsy no ho afa-baraka tanteraka eo amin’ny fianakaviana sy mpiara-monina. Nanomboka nandoa vola, izay tafakatra tany amin’ny iray tapitrisa ariary, raha natambatra. Koa satria varotra no hiveloman’izy mivady dia tsikaritry ny raim-pianakaviana tsikelikely fa nihena ny vola niditra tao an-tokantrano. Teo dia voatery namaky ny resaka tamin’izay ramatoa. Natonina ny mpitandro ny filaminana ary nisy ny fitarainana napetraka. Nosokafana ny fanadihadiana ary soa fa tamin’ny alàlan’ireny fampitam-bola amin’ny laharana finday ireny no nampiasaina tamin’ny fandoavana ny sandan’ny sary miboridana. Iny ihany no nampiasain’ny mpanao fanadihadiana tamin’ny fikarohana ilay mpisoloky. Nofitahina izy ary dia tena tonga teny amin’ny fotoana nifanaovana tokoa. Tsy lasa lavitra ny raharaha satria nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Nopotehina ny sary, nentina mihitsy ny solosaina nampiasain’ilay tovolahy izay nipetraka teny Ambohimangakely ary noporofoina fa voafafa ilay izy dia nilamina teo. Efa mahazo vahana ny tambajotra sosialy eto amintsika na dia tsy ny olon-drehetra aza no mampiasa an’izany. Raha fitaovan-tserasera no tena ilàna azy tany am-boalohany, lasa miitatra be ny fampiasana azy ary ny tena ratsy aza dia tonga hatrany amin’ny heloka bevava ny voka-dratsiny. Efa maro izay fahafatesana izay niainga tao anatin’ny fifanomezana fotoana avy amin’ny tambajotra sosialy izay.
D.R