- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFacebook : « Vente en ligne » : mirongatra ny fisolokiana

Facebook : « Vente en ligne » : mirongatra ny fisolokiana

Mivarotra entana tsy misy ireo mpanao ratsy, izay arantirantin’izy ireo amin’ny alalan’ny sary tsara tarehy anaty tambajotra sosialy. Mazava ho azy, maro be tokoa ireo voasarika ka manontany ilay entana sy manafatra izany. Tsy manaiky handefa ny entana mihitsy anefa ireo olon-dratsy raha tsy mandefa vola ilay mpividy, eny fa na dia hoe samy eto an-drenivohitra aza. Rehefa azon’izy ireo anefa ny vola dia tapahiny ny fifandraisany amin’ilay mpividy : ao ireo mi-« bloquer compte », na tsy mandray antso mihitsy, na maty tsotra izao ilay finday. Efa maro ny fitairanana voaray mahakasika io tranga io, hoy ireo mpitandro filaminana misahana ny ady amin’ny « cybercriminalité » ary efa misy ireo mpisoloky no efa voasambotra sy nanaovana taratasy fampikarohana. Karazana lalam-barotra iray mihitsy moa ity fivarotana amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy ity. Raha resaka « vente en ligne » izay efa mahazo vahana tokoa any am-pitandranomasina any, dia ity karazany iray ity no mahazo vahana eto amintsika. Ny rehetra mantsy dia afaka mampiasa azy daholo, noho ny fahamoràn’ny tolotra omen’ireo tambajotran-tseratsera, ahafahana miditra aminy, raha tsy hiteny afa-tsy ny « Facebook ». Efa betsaka rahateo ihany koa ireo mpivarotra matihanina no misehatra amin’ity lalam-barotra izany, saingy ny mampalahelo dia izao tongan’ny mpisoloky izao. Tsy ity karazany iray ity ihany anefa no betsaka mitaraina eny anivon’ny mpitandro filaminana fa ao ihany koa izany « piratage »na compte facebook izany. Izay angamba tsy dia mitombina ihany. Matetika mantsy dia vokatry ny tandrevaka sy fanadinoana ny fialàna amin’ilay compte  no tena marimarina kokoa, indrindra fa ireo miditra amin’ny « compte »-ny eny amin’ny « cyber ». Fanafodiny, mila mailo hatrany rehefa mampiasa itony haitaon-tserasera itony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici