- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFadin-tseranana Ivato : “Heroïne” antsasa-kilao nafenina tanaty taozavatra malagasy

Fadin-tseranana Ivato : “Heroïne” antsasa-kilao nafenina tanaty taozavatra malagasy

Saika nety ny “ketrika” ho an’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika, saingy soa ihany fa mbola teo ireo mpiasan’ny fadin-tseranana hanakana izany ! “Heroïne” eo amin’ny 500 grama teo ho eo no saron’ireo mpiasan’ny fadin-tseranana teny Mamory Ivato, ny alin’ny talata lasa teo. Tanaty entana saika halefa izy io, na “colis”, tamin’ny sidin’ny kaompania Air France. Ary any Canada no tanjony farany rehefa avy mandalo an’i Frantsa. Raha ny zava-nitranga, araka ny fanazavàna azo teny an-toerana, dia efa nampiahiahy tany am-boalohany ihany ireo entana, saika haondrana ireto, izay karazana taozavatra malagasy vita amin’ny rofia. Ny iray tamin’ireo entana ireo anefa no avy hatrany dia nanintona ny mason’ireo mpisava, ny amin’ny fomba nandrariana ilay rofia izay efa somary lehibe kokoa raha mitaha amin’ny hafa, fa indrindra ihany koa ny amin’ny lanjany, izay mavesatra. Rehefa nojerena akaiky dia hita fa fantsona plastika no nofonosina rofia, toy ireny harona mahazatra ireny. Tao anatin’io fantsona io dia nahitàna vovo-javatra fotsifotsy. Mailo avy hatrany ireo mpiasa ka nanajanona avy hatrany ireto entana ireto, hozahana akaiky. Nentina notiliana ilay vovo-javatra fotsifotsy tao anatin’ilay fantsona ka sarona teo fa zava-mahadomelina mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe “heroine” izy io. Tamin’ny fotoana nandalovanay teny dia mbola teo am-pamahana ilay rary rofia ireo tompon’andraikitra. Ny hany azo antoka, hoy ny fanazavàna hatrany, dia tsy latsaky ny 500 grama izy io. Raha kajiana tsotsotra amin’ny kajy ambany, amin’ny hoe 140.000 ny iray grama amin’ity rongony ity dia tombanana any amin’ny 70 tapitrisa any ho any ny teti-bidin’ity zava-mahadomelina saron’ny fadin-tseranana ity. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny tena tompony sy ny mpandefa azy. Ny hany nambaran’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fadin-tseranana dia hoe teratany vahiny izy io, ary efa nomena ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana ny resaka zava-mahadomelina ny fanadihadiana rehetra makasika ny fikarohana izay tao ambadik’izao trafika izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici