Niaiky ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy fa sidina tsy miankina no nampiasain’ireo mpanao fanondranana an-tsokosoko volemana 73,5kgs tratra tao Afrika Atsimo farany teo iny. Izay no mahatonga ny fadintseranana malagasy nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo nosy rahavavy aty amin’ny fari-dranomasina Indiana amin’ny fampiasana ny “I-One”, hanamora ny fanaraha-maso ireo sambo mety hitatitra an-tsokosoko ny harem-pirenena eto amintsika manomboka izao. Izay no nambaran’ny tale jeneralin’ny ladoany teto Toamasina nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny fadintsenana ny 26 janoary teo, tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Darafify” Analamboanio. Nomarihany nandritra ny valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ihany koa, fa in-24 nahatratra fanondranana volamena an-tsokosoko ny fadintseranana malagasy ny taona 2020 iny, ka isan’ireny ilay volamena 15kg tratra naparitaka tao anaty sary sokitra malagasy. Ankilan’izay dia nohamafisin’ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy ihany koa, fa manana fiarovana manokana ny asan’ny mpiasan’ny fadintsenana. Nambarany kosa anefa fa raha misy ny fangatahana amin’ny fanaovana fanadihadiana vokatry ny asa dia tsy maintsy misy ny fangatahana atao eny anivon’ny minisitry ny fitsarana, izay mitondra izany eny anivon’ny minisitry ny fitantanam-bola, amin’ny fanesorana ilay zo tsy azo anaovana famotorana mivantana. Miandry izay fangatahana izay ny mpiasan’ny fadintsenana ankehitriny raha misy ny mampihaihay ny fitsarana amin’ilay raharaha volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo iny. Ankoatra izay dia “relance – renouveau – résilience: la douanes au service d’une chaine logistique durable”, izay no lohahevitra nentin’ny mpiasan’ny fadintseranana malagasy nankalaza niaraka tamin’ny namany eran-tany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpiasan’ny ladoany, ny 26 janoary lasa teo. Izay no nahatonga ny teto Madagasikara namoaka ny fomba fiasa vaovao, amin’ny fampiasa ny “Sidonia World”, raha “Sidonia++” no nampiasaina teo aloha. Miisa 22 ny biraon’ny fadintseranana eto amintsika. Nisy koa ny fanolorana fankasitrahana ho an’ny mpiasan’ny fadintseranana nahavita be tamin’ny asany, ka niisa 16 izy ireo no notolorana izany fankasitrahana izany, ny talata 26 janoary 2021 teo.
Malala Didier