Taorian’ny fotoam-pivavahana sy lanonana tsotra nanombohan’ireo polisim-pirenena ny fankalazana ny faha-55 taona nisian’izy ireo taorian’ny niverenan’ny fahaleovan-tena, dia lalao ara-panatanjahantena hifampihaonan’ireo sampan-draharaha samy hafa eo anivon’ny polisy Toamasina no ataon’izy ireo manomboka izao, izay nosantarina tamin’ny lalao basket-ball izany, omaly alahady.
Nanokatra ny lalao ara-panatanjahantena omaly ity ny teo anivon’ny “police centrale” sy ny “fond d’intervention de la police”, izay nandresen’itsy voalohany tamin’ny isa 73 noho ny 44. Nomarihan’ny tale provesialin’ny polisy ao Toamasina, Jly Lie, tamin’ny alalan’ny kaomisera Razafindahy Manitra nitondra teny, fa atao izao fiarahana milalao sy mifaninana izao mba hisian’ny fifandraisana am-po sy fifankahafatarana ary mba ho fialana kely amin’ny asa ao anatin’ny fialamboly ho an’ny polisy no antony. Tsy ireo polisy ao an-tampon-tananan’i Toamasina ihany no hanao izao lalao izao, fa ho avy ihany koa ireo polisy avy amin’ireo distrika ao anatin’ny faritan’i Toamasina rehetra; ka afaka misafidy amin’ny lalao basket-ball, baolina kitra, hazakazaka ireo sampan-tserivisin’ny polisy rehetra.
Ireo mandrombaka ny amboara amin’izao lalao izao no hisolo tena ny faritanin’i Toamasina eo amin’ny lalao nasionaly. Ny 30 septambra ho avy izao vao tena ho feno 55 taona ny nisian’ny polisim-pirenena…
Malala Didier