
Hiavaka tokoa ny fahatsiarovana ny datin’ny 29 martsa 1947 amin’ity taona ity. Ny tarakevitra noraisina amin’ity taona ity moa ny hoe : « 𝐓𝐨𝐥𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 : 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐥𝐨 𝐦𝐢𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚 ». Hetsika maro no entina hanamarihana izany izay natomboka, omaly,tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Nanokatra izany ny Minisitry ny Foloalindahy sady Filoham-boninahitry ny komity teknika mpanomana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronon’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, ny Komandin’ny Zandarmariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotomalala Andriatahiana Jean Herbert, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius, ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, ary ireo ankizy mpianatra taninketsan’ny Fanilo miampita. Nandritra izany no nanambaran’ny Minisitry ny foloalindahy fa ny fitondram-panjakana dia manome lanja ny fitohizan’ny tantara miampita amin’izao vaninandro iainantsika izao amin’ny alalan’ny hetsika samihafa. Tanjona kendrena amin’izany hoy izy ny “fanairana ny ambopo sy ny fitiavan-tanindrazana ary fanomezam-boninahitra ireo mpiady tia tanindrazana izay nitolona ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara “. Nisy arak’izany ny fampirantiana ny tantara mirakitra ny tolom-panafahana 1947, sy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny Mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy koa ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izay hatao ao amin’ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny ny Sabotsy 22 Marsa 2025, sy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay hotanterahina ao amin’ny Katedraly Katolika Andohalo ny Alahady 23 Marsa 2025. Toy ny isan-taona dia ny andron’ny 29 Marsa 2025 no ivon’ny fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin’ny fasan’ireo Mahery Fo sy fanehoana ny afo tsy maty.
T.M.
1947:: révolte cotièré mais pas nationale