- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFahafatesan’i Dj Angelo: Hiazo an’i Sainte Marie tanindrazany anio ny razana

Fahafatesan’i Dj Angelo: Hiazo an’i Sainte Marie tanindrazany anio ny razana

Manao tohy vakana hatramin’ny sabotsy alina nandrenesana ny fahafatesan’i Todizara Angelo Berthin, izay fantatry ny maro amin’ny hoe DJ Angelo, ny fampiononana sy ny famangiana ny fianakaviany sy ny vady aman-janany. Nampiseho firaisan-kina ny vahoakan’i Toamasina satria tsy vitan’ny maha-mpampadihy azy amin’ny lanonana samihafa sy ny fanentanany tamin’ny onjam-peo, fa mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina koa izy fony fahavelona ary mpiara-miasa akaiky tamin’ny mpanan-kanto maro. Isan’ireny koa ny tarika Fafass sy Shyn. Isan’ny nampiseho firaisan-kina amin’ny maha-mpanentana onjam-peo azy ny ekipan’ny serasera sy ny mpanao gazety rehetra eto Toamasina. Teo amin’ny faha-39 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao satria ny 09 desambra 1979 izy no teraka, izay zanak’i Todizara Arcade sy Rinkan Yvette. Namela kamboty vavy iray sy reny mananontena izy tamin’izao fahafatesany izao. Amin’ny maha-mpanolotsain’ny kaominina maty am-perinasa azy, dia misy ny fiandrasana azy eo anivon’ny efitrano fivorian’ny mpanolotsaina omaly tolakandro sy ny alina. Raha ny fandaharam-potoanan’ny fianakaviany dia anio talata 07 aogositra no hiazo ny nosy Sainte Marie tanindrazany ny nofo mangatsiakany, ka hisy ny fombafomba Antanosy atao azy any an-toerana alohan’ny hanitrihana azy ao am-pasandrazany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici