- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFahafatesan’ny zanaky ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Fampitam-baovao avy...

Fahafatesan’ny zanaky ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviana

Mitantara ny zavatra niseho ny andron’ny nahafaty an’i Fenitra ny rahavavin-dreniny

Fandevenana an-dramatoakely Andirana Fenitriniaina Lovasoa tany Tsivahiny, Kaominina Besoa, distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy ny 26 oktobra 2014

Tontosa soa aman-tsara tany Tsivahiny-Besoa, Ambalavao Tsienimparihy omaly 26/10/2014 ny fandevenana an-dramatoakely Fenitra, zanaky ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Dr Andriamosarisoa Jean Anicet, izay nodimandry tsy fidiny, notifirin’i Bôlô, mpiambina ny ministra, tamin’ny alakamisy antoandro  teo. Tonga tany Besoa, nitsapa alahelo, nanome fankaherezana ny fianakaviana ary nanatrika ny fandevenana an-dramatoakely Fenitra ny solontenan’ny fitondram-panjakana avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ministra maromaro nisolo tena ny fiadidiana ny governemanta, ka nitarika ny delegasiona ny ministra Rivo Rakotovao. Tao koa ny solontenan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy aty amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy avy amin’ny faritra hafa, ny solontenan’ny fiangonana maro, ny mpiara-monina…

Fanamarihana sy fanitsiana momba ny vaovao mikasika ny antony nahafaty an-dramatoakely Andriana Fenitriniaina Lovasoa, (teraka tamin’ny 02 jona 1997,  17 taona) zanaka vavin’ny ministra, maty notifirin’ny mpiambina; izay antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Bôlô.

Zava-niseho. Nody taty an-tanindrazana,taty Besoa, 25km atsimon’Ambalavao Tsienimparihy ny MInistra sy ny fianakaviany, handevina ny rahalahiny; izay nodimandry tany Antananarivo tamin’ny talata 21 oktobra. Tamin’ny alakamisy tamin’ny 12h30, niara-niantsena tamin’ny rahavavin-dreniny , ramatoa Razafindrasoa Augustine, tany an-tampon-tanànan’Ambalavao i Fenitra. Nandeha fiara Lodgi, 0209 TAF,  nentin’ny mpamily izy mianaka. Marihina fa tsy naman’ireo voatendrin’ny Ministra mivady handeha hiantsena any Ambalavao i Bôlô, ilay mpiambina ny Ministra, fa teo am-piaingana, dia nisisika avy hatrany tao anaty fiara hanaraka ireo mpiantsena i Bôlô.

Araka ny fanamarihan-dramatoa Augustine, dia tsy nisy fihetsika na endrika mampiahiahy nasehon’ilay “garde de corps” raha nisisika hiditra tao anaty fiara izy. Nony tonga tao Avaramanda ao Ambalavao, dia niditra tao anaty magazay hividy entana ilaina amin’ny fampisakafoana ny vahiny tonga handevina ny rahalahin’ny Ministra, ramatoa Augustine. Rehefa azo ny entana, dia nampirinin’i Fenitra sy ramatoa Augustine ao anaty fiara. Rehefa voalamina tao anaty fiara ny entana, dia nandeha tao amin’ny trano fonenan’ny Ministra , izay trano famantanan’izy mianakavy rehefa tonga eto Ambalavao, ramatoa Augustine, fa nisy resaka tokony hifanaovany tamin’ny fiakaviana izay miandry ny trano eto an-tampon-tanànan’Ambalavao. Ka ny fiara, dia najanona teo anoloan’ny vavahady lehibe fidirana ao amin’ny tranon’ny MInistra. Nandritra ny fotoana fohy niresahany tao an-trano, tokony ho 10 mn eo ho eo, no nipoahan’ny basy tao anaty fiara. Notifirin’i Bôlô tamin’ny poleta i Fenitra, bala roa tamin’ny lohany sy tamin’ny tratrany. Avy eo dia nitifi-tena avy hatrany i Bôlô. Nihorakoraka ny olona tamin’ny manodidina. Nivoaka ny trano haingana ramatoa Augustine, kinanjo efa olona mitsitra sy ra mandriaka no tratrany tao anaty fiara. Maty tsy tra-drano i Fenitra, fa  Bôlô kosa ora maromaro taorian’ny nahatongavany, nentina tany amin’ny hôpitaly any Fianarantsoa, vao tapitra ny ainy.

Ny tsara homarihina, hoy ny fianakaviana sy ireo tafara-dia tamin’ny fianakavian’ny Minsitra taty Ambalavao tamin’ny talata noho mankaty, dia tsy nisy fifamaliana araka ny resaka mandeha ombieny ombieny teo amin’ny Fenitra sy Bôlô ary tsy anisan’ireo notendrena hiantsena any an-tampon-tanànan’Ambalavao ilay “garde de corps”. Tsy marina koa ny resaka naely fa mpisakaiza  na mpifankatia izy ireo, fa an-kevitry ny nisy fikasan-dratsy saika hataon’i Bôlô tamin’ilay zaza, ka noho ny fahatahorany sao mitory any amin’ny ray aman-dreniny ilay zazavavy kely, dia novonoiny izy, ary avy eo namono tena koa ilay mpiambina.

Ny fandevenana ny razana anankiroa, ny rahalahin’ny Ministra sy ny zanany vavy dia ny alahady 26 oktobra 2014 any Tsivahiny, “commune rurale Besoa”, distrika Ambalavao Tsienimparihy.

Fehiny, ny fitantarana etsy sy eroa ankoatr’ireo voalaza etsy ambony ireo dia diso ary tsy mitombina.

Ny solontenan’ny fianakaviana

RAZAFINDRASOA Augustine

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser