Araka ny loharanom-baovao azo teny Behoririka dia naharitra hatrany amin’ny 16 ora vao tena voafehy tanteraka ny afo nahamay ny Golden Center. Bebe ihany ny zavatra levon’ny afo. Tsy nisy kosa aloha ny ainy nafoy. Io vaovao io ihany no nahalalana fa nisy teratany afrikana nanao “soudure” tao ka mety ho avy amin’iznay no nahatonga ny firehetana. Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Ny alatsinainy faha-14 desambra tokony ho tany amin’ny 4 ora sy sasany tany no niseho ny fahamaizana. Tsy maty anefa izany raha tsy ny ampitso talata tamin’ny 6 ora (omaly). Tamin’io fotoana io vao navela hiditra tamin’ireo toerana ny tompon’ny tsena. Raha vao niseho ny fahamaizana dia tonga namono ny afo ny mpamonjy voina avy eo Tsaralalana. Teny an-toerana koa ny zandary sy ny polisy hamefena izay mety ho fandrobana ataon’ireo mpanararaotra. Maro moa ny feo niakatra ny harivan’ny talata, indrindra avy amin’ireo tompon’ny tsena izay nitabataba nilaza fa nahita ny sasany tamin’ireo tonga hamono ny afo, fa nisy tamin’izay ireo nanao am-paosy finday sady manao ny asany ihany. Rehefa natonina ny tompon’andrikitra dia nilaza tsy nihambahamba fa tsy nisy an’izany zavatra izany teny an-toerana. Vory maro mantsy ny olona tamin’ny fotoana nitrangan’ny haitrano ka tsy fantatra intsony ny jiolahy sy ny olona tonga hanome tanana. Voalazan’ny vaovao fa dia tsy vitsy tokoa ireo tonga hangalatra fotsiny. Toa tsy nahovoka firy anefa izy ireny noho ny fisian’ny mpitandro filaminana marobe.
r.s.