Tezitra amin’ny fahatapahan-jiro eto Toamasina nanomboka ny talata teo ny vahoaka teto Toamasina, dia nitrangana hetsi-bahoaka tamin’ireo fokontany maromaro vokatra izany. Isan’ny fokontany nitrangan’izany ny tao Mangarano, Barikadimy, Sampanan-dalana mihazo ny Morarano, Ambolomadinika,…sy ireo kartie hafa ihany koa. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina izany fahatapahana izany, tsy mifarana raha tsy amin’ny 7 ora hariva ankoatra ireo fokontany tsy miverina mihitsy, isan’izany ireo fokontany nitokona ireo. Nametraka filaminana tamin’izao fitroaram-bahoaka izao ireo mpitandro ny filaminana, ka nipoaka nandritra izany ireo grenady mandatsan-dranomaso nandritra izany. Tena manahy mantsy ny vahoaka fa hirongatra ao anatin’ny fahatapahan-jiro ny asan-jiolahy samy hafa eto Toamasina. Namaly bontana tamin’ny tora-bato vokatra izany ireo vahoaka noho fahatsapany fa atao ankilabao izy ireo, satria taorian’ny fahalasanan’ny filoha sy ny vadiny tonga teto Toamasina ny faran’ny herinandron’ny 8 marsa teo, dia izao fahatapahan-jiro izao no niainan’ny vahoakan’i Toamasina. Raha ny fanazavana voaray dia vokatry ny tsy fandoavana ny trosan’ny orinasa ENELEC izay mpamatsy herinaratra ny jirama no olana niteraka ny fahatapahana jiro efa ho efatra andro izao. Nikaroka ny hevitra rehetra namahana ny olana ny jirama Toamasina, ka nanomboka ny zoma teo dia niverina nirehitra nandritra ny tontolon’ny andro ny jiro teto Toamasina. Tsy fantatra na efa voavaha ny olan’ny trosan’ny jirama tamin’ny Enelec na tsia, fa ho an’ity orinasa ity dia saika tohizany mandritra ny herinandro ny fahatapahana amin’ny jiro. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity, fa raha ny vahoaka dia efa tezitra amin’ny zava-misy, ka hitohy ny fitokanany raha miverina mitranga ny fahatapahana.
Malala Didier