- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFahasarotam-piaro : Zandary mamo nitifitra nahafaty tovolahy

Fahasarotam-piaro : Zandary mamo nitifitra nahafaty tovolahy

Tao anaty rà mandriaka no nitsenana ny taona vaovao, omaly teny amin’iny faritra Ivato iny.

Zandary iray, monina eny amin’iny faritra Ivato Seranana iny mantsy, izay tao anatin’ny fahamamoana, no nahavita nitifitra sy nahafaty tovolahy iray, noho ny resaka hasarotam-piaro. Tao amin’ny toerana fisotroana iray teny an-toerana no nitrangan’ity vono olona mahatsiravina nataon’ny mpitandro filaminana ity. Raha ny zava-nisy, araka ny angom-baovao ao, dia voalaza fa sakaizan’ilay zandary ilay vehivavy mitana io toeram-pivarotana zava-pisotro io. Mazàna rehefa vehivavy tokoa no mitàna azy ireny dia tsy maintsy misy foana ny lehilahy mpanadala, satria saika izany ny ankabeazan’ireo mpanjifa. Tamin’io fotoana io dia nisy roa lahy nampiresaka ramatoa mpivarotra. Tsy nahatanty izany Ingahy mpitandro filaminana sakaizany, izay marihana fa tsy nanao fanamiana tamin’io fotoana io saingy nitondra basy teny am-balahany, ka avy hatrany dia nanangam-bovona. Izy rahateo, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia efa somary varimbarin’ny zava-mahamamo. Niakatra avy hatrany ny feo ary niafara tamin’ny famoahana basy sy fitifirany ilay tovolahy iray mihitsy izany. Maty tsy tra-drano ity farany rehefa niantefan’ny bala teny amin’ny lohany. Nitsoaka toy ny tsy teo kosa ilay mpitandro filaminana rehefa nahavita izany.

Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny zandarimarim-pirenana teo anatrehan’ity tranga ity. « Efa nosamborina io zandary mpihoa-pefy io ary efa nogiazana ny basy teny aminy », hoy ny fanazavàna. Hentitra ihany ny teo anivon’ny Fibaikona ny zandary rehefa naheno ny tranga ary niroso avy hatrany tamin’ny famotorana ilay voarohirohy. Marihina fa efa namoaka didy sy fahazoan-dalana fanenjehana (autorisation de poursuite) ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary. « Tsara ny manantitra fa ao anatin’ny fotoam-panadiovana anatiny ankehitriny ny zandarimaria ka « tsy mitahiry olon-dratsy » ». Vantany vao vita ny famotorana ifotony sy araka asa atao amin’ity «  mpamono olona » ity dia hatolotra tsy ho ela ny Fitsaràna ny tenany, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Tsy hisy intsony izany fialokalofan’ny mpanao ratsy izany fa rehefa manao ny tsy mety dia tsy maintsy mandray ny vokatr’izany ary izahay eto anivon’ny zandarimariam-pirenana mihitsy no hijoro handray andraikitra sy hampihatra ny lalàna velona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici