Efa ela no nanana olana ary efa tokony hosoloina ny fitaovana mpamokatra herinaratra ao Vavatenina. Efa manana fitaovana hanoloana azy io ny Jirama izay efa tonga eto Toamasina saingy tsy avy amin’izy ireo no antony tsy nahatongavany teny Vavatenina, fa noho ny fahasimban’ny tetezana ao Antaratasy izay tsy mahazaka afa-tsy iray taonina, nefa ity fitaovana famokarana herinaratra tokony halefa any Vavatenina ity efa manodidina ny am-polony taonina ny lanjany. Vokany dia nirefotra ny fitaovana mpamokatra herinatra tany an-toerana ny alahady teo, 05min nanombohan’ny lalao famaranana ny kitra “mondial” tany Rosia teo amin’ny Frantsay sy ny Kroaty. Tezitra noho izany ireo vahoaka tapaka Jiro sy ireo mpitia kitra ka nirohotra tany amin’ny biraon’ny Jirama ao Vavatenina. Vao mainka niakatra ihany koa ny fahatezeran’izy ireo mahita ny Jiro mirehitra tao amin’ny trano fonenan’ny lehiben’ny Jirama tany an-toerana, ka teo am-pijerena ny famaranana ny “mondial” mihitsy ny tenany no tonga ireto vahoaka marobe. Vokany dia nidiran’izy ireo ny birao koa raikitra avy hatrany ny fanimbana ireo fitaovana tao anatiny. Nisy nitoraka kodiarana nirehitra kosa nandritra izany ny trano fonenan’ny lehiben’ny Jirama ao Vavatenina, saingy afaky ny zandary sy ny polisy ara-potoana izany ka tsy nitarika firehetana. Voatery nanao tifi-danitra ireo mpitandro ny filaminana araka ny baikon’ny lehiben’ny distrika nanapariahana ireto vahoaka tezitra, naharitra ora iray sy sasany teo ny sakoroka nisy vao voafehy. Na ny alahady alina nisian’ny sakoroka, na omaly tontolo ny andro dia tsy nisy ny fisamborana nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireto vahoaka tezitra nanimba ny Jirama Vavatenina ireto. Ankoatra izay dia nomarihan’ireo teknisian’ny Jirama fa fotoana izao mba hametrahana fitaovana vaventy amin’izay amin’ny famokarana herinatra ao Vavatenina, satria tsy mety amin’ny filan’ny mponina intsony ireo fitaovana madinika misy izay mazana miteraka delestazy lava any an-toerana izay efa niteraka sakoroka matetika tany an-toerana.
Malala Didier