Noho ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana dia mitaraina vokatry ny faharatsian-dalana sy fahatapahan’ny lalam-pitanterana mampitohy an’Atafia sy Mahazomà ny mponina nanomboka ny alahady teo. Amin’ny toerana iray antsoina hoe Antafia no manomboka ny faharatsin-dàlana, 30 km miala ny kaominina Mahazomà no misy izany vokatry ny rano be noho ny rotsan-korana. Tamin’ny alahady teo rehefa avy ny orana dia nisy fahatapahana ny lalana teo amin’ny ranon’i Besafotra. Noho izany dia mitandahatra izay tsy izy ireo fiara sy kamiao lehibe mpiatitra entana sy vato an’i Mahazomà. Amin’ny alalan’ny » transbordement » sy ny fampiasana lakana no hafahana mifamezivezy na miandry ny fotoana faharatrian’ny rano efa ho adiny enina eo izany vao afaka manohy ny fifamoivoizana mampitatitra entana. » Efa nanambara ny hanamboatra ity lalana ity ny mpitondra nifadimby teo ami’ny taniny Repoblikan’i Madagasikara saingy tsy hita izay fandraisana andraikitr’izy ireo hatreto mijaly noho ny fampanantenana paokaty ataon’izy ireo ny vahoaka, hoy hatrany ny mpamily mampiasa iny lalana iny. Isan’ny olana iray goavana amin’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa tahaka toy ny tsy faham-piany fikasana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Raha asiana jery todika ny nandritra ny fampihelezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodionana voalohany sy ny faharoa farany teo dia niraradraraka ny fampanantenana nataon’ireo solotenany antoko taty an-toerana hoe rehefa lany hono ny olona tohanan’izy ireo dia atao laharam-pahamehana ny fanamboarana ny » RN44 Bis » izay mampitohy Antafia sy Mahazomà, toa lasa kovavany fotsiny izany ankehitriny, satria efa io mitondra io ny filoha ankehitriny toa mbola tsy heno niresaka mikasika izany na amin’ny haino aman-jery aza. Tsy araka izany anefa ny zava-mitranga any an-toerana fa maro ireo fahasimbana mila hidinana ifotony. Raha sanatria tsy taneraka izany dia olana ny hahatapaka taneraka ny RN44 Bis satria efa hoavy izao ny andro manoran-dava, dia mitaingina » Hors Bord » indray izany hoan’ireo manana vola.
Ratantely